dimanche 25 novembre 2012
Alahady 25 Novambra 2012 - Amo 8 : 1 - 6
1 Ary izao indray no nasehon'ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin'ny fahitana: indro nisy voankazo masaka iray harona. 2 Dia nanontany ahy Izy hoe: Inona no hitanao, ry Hamosa? Ka novaliako hoe: Voankazo masaka iray harona! Dia hoy ny TOMPO tamiko: Tonga ny farany ho an'ny Israely vahoakako, tsy holeferiko intsony ny fahadisoany. 3 Amin'izany andro hiaviako izany, ireo vehivavy mpihira ao an-dapa dia hanao hiram-pisaonana. ho marobe ny faty ka fahanginana no hanjaka hatraiza hatraiza. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no manao izany teny hentitra izany. 4 Mihainoa izao ianareo te hitelina ny mahantra sy te hamongotra ny mpandefitra eto amin'ny tany, 5 ka velom-panontaniana anakampo hoe: Rahoviana no hifarana ny fetin'ny tsinam-bolana ka hivarotantsika vary? Rahoviana no hifarana ny sabata, mba hanokafantsika ny sompitra? Hohakelezintsika ny zinga famarana, hampitombointsika ny vato fandanjana, mizana mandainga no hampiasantsika, 6 ary hatramin'ny vary loha-kororoka no hamidintsika. Hovidintsika ho andevo ireo fadiranovana sy mahantra, noho izy tsy mahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...