samedi 24 novembre 2012
Sabotsy 24 Novambra 2012 - I Kor 6 : 1 - 8
1 Raha misy aminareo manana fifanolanana amin'ny havana kristianina, ahoana no dia ahasahiany mangataka fitsarana amin'ny olona tsy mpino fa tsy amin'ny vahoakan'Andriamanitra? 2 Sa tsy fantatrareo ve fa ny vahoakan'Andriamanitra no hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia tsy mendrika anareo ve ny fitsarana izay raharaha madinika indrindra. 3 Tsy fantatrareo ve fa hitsara anjely aza isika? Mainka fa izay raharaha momba izao fiainana izao! 4 Koa raha zavatra momba izao fiainana izao no ilanareo fitsarana, dia olona ivelan'ny Fiangonana ve no tendrenareo ho mpitsara? 5 Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay ve tsy misy olon-kendry na dia anankiray aza eo aminareo mba afaka handamina ny fifanolanan'ny samy kristianina? 6 Sady kristianina ve dia hanana ady amina kristianina ary izay indray tsaraina eo anatrehan'ny tsy mpino? 7 Efa tena mikorosy fahana ianareo matoa misy fifanolanana samy ianareo. Tsy aleonareo ve mizaka ny tsy rariny? Tsy aleonareo ve miaritra ny fanambakana? 8 Kanefa dia ianareo indray no manao ny tsy rariny sy manambaka, ary dia ny havanareo iray finoana ihany no anaovanareo izany.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...