vendredi 9 novembre 2012
Zoma 09 Novambra 2012 - Oha 12 : 1 - 7
1. Izay tia fananarana tia fahalalana; fa adaladala izay mankahala tsikera. 2. Ny tsara fanahy dia mahazo sitraka avy amin'ny TOMPO, fa izay manana sain-dratsy kosa helohiny. 3. Tsy haratsiam-panahy no mahatafaorina ny olona; fa ny marina kosa mamaka tsy misy mahozongozona. 4. Satroboninahitry ny vadiny ny vehivavy tsara fanahy, fa homamiadana mikiky azy kosa ny vehivavy tsy mendrika. 5. Ny olo-marina mihevitra ny rariny; fa ny olon-dratsy kosa misaina fitaka. 6. Ny tenin'ny olon-dratsy dia fandrika mahafaty; ny lazain'ny olo-marina kosa mamonjy ny hafa. 7. Raha miongana ny olon-dratsy, dia tsy misy tafajanona; fa ny ankohonan'ny olo-marina kosa maharitra hatrany.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...