vendredi 2 novembre 2012
Zoma 02 Novambra 2012 - lev 25 : 35 - 38
35 Raha misy mihamahantra ny mpiray firenena aminareo, na ny vahiny valovotaka aza, ka tsy afa-manefa ny trosanareo, dia ampio izy mba hahazoany mivelona eo anilanareo. 36 Aza maka zana-bola na tombony aminy; izany no hanehoanareo fanajana Ahy Andriamanitrareo sady hahazoany mivelona eo anilanareo. 37 Aza asiana zana-bola raha mampisambotra vola aza ianareo, ary aza maka tombony raha mampisambotra hanina azy ianareo. 38 Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay namoaka anareo hiala tany Ejipta mba hanome anareo ny tany Kanahana sady ho Andriamanitrareo.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...