dimanche 15 décembre 2013
Alahady 15 Desambra 2013 - Gal 5 : 2 - 6
2Indro fa izaho Paoly no miteny aminareo: raha manaiky hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza i Kristy. 3Ary ambarako indray amin'ny olona rehetra manaiky hoforana fa manana adidy hahatanteraka ny lalàna* manontolo izy. 4Tafasaraka
amin'i Kristy ianareo miezaka ho marina eo imason'Andriamanitra amin'ny
fanoavana ny lalàna; miendaka amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ianareo.
5Isika
kosa dia matoky fa Andriamanitra no mahatonga antsika ho marina eo
imasony; izany no andrasantsika ho vokatry ny finoantsika noho ny
asan'ny Fanahy Masina. 6Fa
ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa, tsy dia ny hoe maha voafora na
tsy maha voafora no tena zavatra fa ny finoana izay miasa amin'ny
fitiavana.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...