samedi 21 décembre 2013
Sabotsy 21 Desambra 2013 - Eze 43 : 1 - 5
1Ary nentin-dralehilahy hankeo amin'ny vavahady atsinanana aho. 2Koa hitako tonga avy any atsinanana ny voninahitr'ilay Andriamanitr'i Israely; narahina feo tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina izany ary nanazava ny tany tamin'ny famirapiratany. 3Io
fahitana io dia mitovy amin'ireo fahitana hitako fony Andriamanitra
tonga handrava an'i Jerosalema sy fony aho teo amoron'ny ony Kebara; koa lavo nihohoka nitehi-tany aho. 4Ary ny voninahitry ny TOMPO dia niditra tao an-tempoly* avy eo amin'ny vavahady atsinanana. 5Ary
ny Fanahin'Andriamanitra nanainga ahy avy amin'ny tany ka nitondra ahy
hankeo amin'ny kianja anatiny; ary hitako nameno ny tempoly ny
voninahitry ny TOMPO.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...