6–Ho avy ny andro handravana ireo zavatra banjininareo ireo ary tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana.
7Ary nanontanian'ireo indray i Jesoa hoe:
–Mpampianatra ô, oviana no hahatongavan'izany ary inona no hamantarana fa madiva ho avy izany?
8Dia novaliany hoe:
–Tandremo sao voafitaka ianareo. Fa maro no ho avy hisandoka ny anarako sady hanao hoe: «Izaho no Mesia*», ary «Tonga ny fotoana!» Aza mba manaraka an'ireny. 9Raha
mandre ady sy korontana ianareo, aza taitra; eny, tsy maintsy ho tonga
aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin'izay akory ny farandro.