dimanche 22 décembre 2013
Alahady 22 Desambra 2013 - II Pet 3 : 8 - 13
8Kanefa
izao zavatra izao, ry hava-malala, no aoka tsy hohadinoinareo: amin'ny
Tompo, ny indray andro dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona dia
toy ny indray andro. 9Koa
tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny
fampanantenàny: saingy mahari-po aminareo Izy, satria tsy tiany hisy ho
very fa mba hiroso hiala amin'ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra. 10Ho
avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo; ary amin'izany dia
hirimorimo mafy ka hanjavona ny habakabaka sady ho levon'ny hafanana
ireo karazan-javatra ao aminy, ary hodorana avokoa ny tany sy izay
taozavatra ao aminy. 11Koa
raha ho levona toy izany àry izao rehetra izao, dia ho olona tokony
hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondrantena masina sy ny
firaiketam-po amin'Andriamanitra? 12Sady
andrasanareo no hafainganinareo ny fiavian'ilay andron'Andriamanitra,
izay andro hahamay ny habakabaka sy hahalevona azy ary hanempoan'ny
hafanana ireo karazan-javatra ao aminy! 13Kanefa
isika, araka ny fampanantenàn'Andriamanitra, dia miandry ny habakabaka
vaovao sy tany vaovao izay honenan'ny fahamarinana soritan'Andriamanitra.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...