4Niainga
avy tao Nazareta tanàna any Galilea i Jôsefa hiakatra any Jodea,
hankany amin'ilay tanàna fiavian'i Davida atao hoe Betlehema, noho izy
taranaka sy fokon'i Davida. 5Mba hoisaina no foto-dian'i Jôsefa sy i Maria vadiny izay efa bevohòka. 6Raha tao Betlehema izy roa, dia tonga ny andro hahaveloman'i Maria. 7Teraka
ny lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ary nampandrîny teo
amina fihinanam-bilona; fa tsy nisy toerana ho azy telo mianaka tao
amin'ny trano fivantanam-bahiny.
jeudi 26 décembre 2013
Alakamisy 26 Desambra 2013 - Lio 2 : 1 - 7
1Tamin'izany andro izany, dia namoaka didy ny amperôra Aogosta hampanao fanisàm-bahoaka eran'ny fanjakana rômanina. 2Izany fanisàm-bahoaka voalohany izany dia natao fony i Kireny no filohan'ny faritany Siria. 3Ary samy namonjy ny tanàna fiaviany avy ny olona rehetra mba hisaina.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...