vendredi 6 décembre 2013
Zoma 06 Desambra 2013 - Fil 3 : 17 - 21
17Ry havana, aoka hanahaka ahy ianareo ary diniho hatrany ireo manao fitondrantena araka izay ohatra nomenay anareo. 18Efa
voalazako imbetsaka taminareo, ary dia mbola lazaiko amin-dranomaso
ankehitriny, fa maro no manao fitondrantena manohitra an'i Kristy maty
teo amin'ny hazofijaliana. 19Fahaverezana
no hiafaran'ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny
kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony
rehareha. 20Fa
isika kosa dia mizaka ny zo maha mponin'ny lanitra; ka Mpamonjy avy any
an-danitra no andrasantsika, dia i Jesoa Kristy Tompo. 21Izy
no hanova izao tenantsika tsinontsinona izao, ka hampitovîny amin'ny
tenany be voninahitra, araka ny heriny miasa hahatonga ny zavatra
rehetra hanaiky Azy.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...