mardi 31 décembre 2013
Talata 31 Desambra 2013 - Lio 2 : 36 - 38
36Nisy koa vehivavy mpaminany*
natao hoe Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy amin'ny fokon'i Asera. Tena
antitra izy. Fito taona ihany no nanambadiany taorian'ny nahatovovavy
azy. 37Dia nipetraka ho mpitondratena izy ary feno 84 taona izao ny andro niainany. Tsy niala tao amin'ny tempoly mihitsy izy, fa nanompo an'Andriamanitra andro aman'alina, ka nifady hanina* sy nivavaka. 38Tonga
koa i Ana tamin'io fotoana io ka nisaotra an'Andriamanitra ary
nilazalaza momba ity zaza ity tamin'izay rehetra fatra-piandry ny
hanavotan'Andriamanitra an'i Jerosalema.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...