mardi 10 décembre 2013
Talata 10 Desambra 2013 - Mat 24 : 45 - 51
45–Iza
moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren'ny tompony ho
mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ny anjara sakafony
ara-potoana? 46Sambatra io mpanompo io raha tonga ny tompony ka mahita azy manao raharaha toy izany. 47Lazaiko marina aminareo fa hotendren'ny tompony hiadidy ny fananany rehetra izy. 48Raha ho ratsy fanahy kosa io mpanompo io ka hanao anakampo hoe: «Mbola haharitra ela ny tompoko», 49ary hihetraketraka amin'ireo mpanompo namany sady hanaram-po hihinana sy hisotro miaraka amin'ny mpimamo, 50dia ho tonga ilay tompony amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany. 51Hosazîny mafy tokoa io mpanompo io ary hataony miombona anjara amin'ny mpihatsaravelatsihy; any izy no hitomany sy hikitro-nify.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...