jeudi 19 décembre 2013

Alakamisy 19 Desambra 2013 - Mat 24 : 23 - 31

23Amin'izany, raha misy olona milaza aminareo hoe: «Indro atỳ ny Mesia*», na hoe: «Arỳ Izy», dia aza mino. 24Olona misandoka ho Mesia sy ho mpaminany manko no hijoro, ka haneho famantarana lehibe sy zava-mahagaga hamitahany na dia ny olom-boafidin'Andriamanitra aza raha azony natao. 25Izay àry, fa efa voalazako mialoha taminareo izany.
26Koa raha misy olona milaza aminareo hoe: «Indro any an-taniefitra ny Mesia», dia aza mankany; na hoe: «Indro ato amin'ny toera-miafina ato Izy», dia aza mino. 27Eny, ho tahaka ny tselatra, mipoitra avy any atsinanana ka manazava hatrany andrefana, no fiavian'ny Zanak'olona*. 28Fa na aiza na aiza misy ny faty dia any no hifamotoanan'ny voromahery.

29Raha vao afaka ny fijaliana amin'ireo andro ireo, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana, hiraraka avy eny amin'ny habakabaka ny kintana ary ho voahozongozona ny herin'ny habakabaka. 30Amin'izay dia hiseho eny amin'ny habakabaka ny famantarana momba ny Zanak'olona*; ka handon-tratra avokoa ny firenena rehetra eto an-tany ary hahita ny Zanak'olona tamy eo amin'ny rahon'ny habakabaka sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe. 31Dia hisy trompetra haneno mafy; ary hirahin'ny Zanak'olona ireo anjeliny, ka ireo no hanangona ny olom-boafidiny avy any amin'ny vazan-tany efatra, manomboka amin'ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin'ny faravodilanitra andaniny.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12