Nirahina
aho hampandroso ny finoan'ireo olom-boafidin'Andriamanitra ary
hampahalala azy ny fampianarana marim-pototra mifanaraka amin'ny
fivavahantsika, 2dia
fivavahana miorina amin'ny fanantenana ny fiaina-maharitra mandrakizay.
Ilay Andriamanitra tsy mba mandainga dia nampanantena antsika izany
fiainana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao; 3ka
tamin'ny fotoanandro voatendriny no nahariharin'Andriamanitra ny
teniny, dia ny hafatra izay nankinina tamiko ka torîko araka ny
baikon'Andriamanitra Mpamonjy antsika.
4Mamangy anao aho, ry Tito,
dia ianao izay tena zanako ao amin'ny finoana iombonantsika. Ho aminao
anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i
Kristy Jesoa Mpamonjy antsika!