mercredi 6 avril 2016

Alarobia 06 Aprily 2016 - Mar 16 : 9 - 18

[ 9Rehefa nitsangana velona i Jesoa ny alahady vao maraina be, dia tamin'i Maria avy any Magdalà, ilay nandroahany demony fito, no nisehoany voalohany'>. 10Io indray lasa nitantara tamin'ireo mpomba an'i Jesoa, izay mbola nisaona sy nitomany. 11Ireo anefa, nony nandre ny voalazan-dravehivavy fa hoe velona i Jesoa ary hitany, dia tsy nino.

12Taorian'izany, dia roa lahy tamin'ireo mpianatra* no nisehoan'i Jesoa tamin'ny fomba hafa indray, raha ilay nandeha nankany ambanivohitra iny izy roa lahy. 13Ireo koa niverin-dalana nitantara tamin'ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa.

14Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan'i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona. 15Dia hoy koa i Jesoa taminy:

–Mandehana eran'izao tontolo izao, torio amin'ny olombelona rehetra ny Vaovao Mahafaly*. 16Izay hino ka hatao batisa*, dia ho voavonjy; fa izay tsy hino, dia hohelohina. 17Ary ireto no famantarana homba izay mino: handroaka demony* amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny vaovao; 18handray menarana sy hisotro poizina mahafaty, nefa tsy haninon-tsy haninona; ary hametra-tanana amin'ny marary, dia ho sitrana ireny.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12