35Rehefa mby teo akaikin'i Jerikao i Jesoa, dia nisy jamba anankiray efa nitalapetraka teo an-tsisin-dalana nangataka. 36Henony nihaohao ny vahoaka mitanjozotra ka nanontaniany hoe: «Inona izany?» 37Nampahalalain'ny olona izy fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo. 38Koa velona antso amin'izay izy nanao hoe:
–Ry Jesoa, Zanak'i Davida* ô, mamindrà fo amiko!
39Norahonan'ireo olona lohalalana ralehilahy hangina, fa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe:
–Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!
40Niato i Jesoa ary nasainy hoentina eo aminy izy, ka nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe:
41–Inona no tianao hataoko aminao?
Ka novalian'ilay jamba hoe:
–Tompo ô, ny hampahiratra ahy!
42Dia hoy i Jesoa taminy:
–Mahirata, ny finoanao no nahasitrana anao!
43Dia nahiratra teo no ho eo ihany izy, ary lasa nanaraka an'i Jesoa sady nanome voninahitra an'Andriamanitra. Ny vahoaka rehetra koa, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra.
-
1Miderà ny TOMPO, ry firenena rehetra; Mihobia Azy, ry vahoaka rehetra117.1 Voatsiahy ao amin’ny Rm 15.11 ity and ity.. 2Fa lehibe tokoa ny...
-
7Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: –Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nanosotra anao h...