vendredi 29 avril 2016

Zoma 29 Aprily 2016 - I Tan 14 : 8 - 17

8Nony ren'ny Filistinina fa efa voahosotra ho mpanjaka amin'i Israely manontolo i Davida, dia niakatra ny Filistinina rehetra mba hambabo an'i Davida. Nahare izany i Davida, ka nivoaka hifanehatra amin'ireo. 9Dia tonga ny Filistinina ka nandroba tao amin'ny lohasahan'ny Refaîtadia ao atsimo andrefan'i Jerosalema.'>. 10I Davida kosa nanontany an'Andriamanitra hoe:
–Handeha hamely ny Filistinina ve aho? Ary hatolotrao ho eo an-tanako ve ireo?

Ka hoy ny TOMPO taminy:
–Mandehana fa hatolotro ho eo an-tananao ireo.

11Dia niakatra nankao Bahala-Peratsima i Davida ka namely ny Filistinina tao. Ary hoy i Davida hoe:
–Ny tanako no namakian'Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky.
Izany no nanaovana ny anaran'io toerana io hoe Bahala-Peratsima. 12Dia nilaozan'ny Filistinina teo ireo andriamaniny ka nasain'i Davida nodorana tamin'ny afo.

13Avy indray ny Filistinina ka nandroba tao amin'ny lohasahan'ny Refaîta. 14Dia mbola nanontany an'Andriamanitra indray i Davida ka novaliany hoe:
–Aza miakatra hanenjika azy; fa mivilia lavidavitra azy, dia manatòna azy avy eo amin'ny tandrifin'ny foto-boaroihazo. 15Ary rehefa mahare hoatra ny figodongodon'olona eny an-tendron-kazo ianao, dia miaingà amin'izay hiady, satria efa miainga mialoha anao Andriamanitra mba handresy ny tafiky ny Filistinina.

16Dia nanao araka izay nandidian'Andriamanitra azy i Davida, ka nandresy ny tafiky ny Filistinina hatreo Gibehôna ka hatrany Gezera. 17Dia niely eran'ny tany rehetra ny lazan'i Davida, ary nataon'ny TOMPO matahotra an'i Davida ny firenena rehetra

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12