samedi 2 avril 2016

Sabotsy 02 Aprily 2016 - Mat 9 : 1 - 7

1Dia niondrana an-tsambokely i Jesoa ary niampita indray ka tonga tao an-tanànany'>. 2Ary indro nisy lehilahy malemy nilamaka am-pandriana, nentin'olona teo aminy. Hitan'i Jesoa ny finoan'ireto olona, ka hoy Izy tamin'ilay malemy:
–Mahereza, anaka; voavela ny helokao!

3Tamin'izay ny sasany tamin'ny mpahay lalàna dia nanao anakampo hoe: «Manevateva an'Andriamanitra ilay io!» 4Fantatr'i Jesoa ny eritreritry ny mpahay lalàna* ka hoy Izy:
–Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? 5Fa inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza hoe: «Voavela ny helokao», sa ny milaza hoe: «Mitsangàna ka mandehana»? 6Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak'olona eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka!

Tamin'izay dia hoy i Jesoa tamin'ilay malemy:
–Mitsangàna, batao ny fandrianao ka ndeha mody!

7Dia nitsangana ralehilahy ka lasa nody. 8Natahotra ny vahoaka nony nahita izany ary nanome voninahitra an'Andriamanitra Izay nanolotra fahefana hamela heloka toy izany tamin'ny olona.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12