samedi 30 avril 2016

Sabotsy 30 Aprily 2016 - Deo 8 : 7 - 18

7Tany soa no efa hampidiran'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo: dia tany misy renirano sy loharano ary rano mitoby anaty tany ka miboiboika eny amin'ny lemaka na eny an-tendrombohitra; 8tany vokatra varimbazaha sy vary ôrza ary koa voaloboka sy aviavy aman'ampongabendanitra; tany itobahan'ny menaka ôliva sy tantely; 9tany hahitanareo vy sy vato eo aminy ary hihadianareo varahina ny tendrombohiny. Hanaram-po hihinan-kanina ianareo sady tsy hanan-java-mahory akory eo amin'izany tany izany. 10Ary rehefa hihinana ka ho voky ianareo, dia hisaotra ny TOMPO Andriamanitrareo noho ny tany soa nomeny anareo.

11Kanefa tandremo fandrao hadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo ka tsy tandremanareo ny didy sy ny fitsipika aman-dalàny, izay ampitaiko aminareo anio. 12Eny, hihinana sy ho voky ianareo, hanao trano tsara hitoeranareo, 13hihamaro omby sy ondry aman'osy, hitombo volafotsy sy volamena, ary hiavosa fananana isan-karazany; 14saingy tandremo fandrao hiavonavona ny fonareo ka hohadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay nampiala anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo. 15Izy no nitondra anareo hitety taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay ahitana menarana misy poizina sy maingoka; kanefa izany tany mangentana tsy misy rano izany no nampiboiboihany rano ho anareo, avy tamin'ny vatolampy mafy indrindra. 16Izy koa, tatỳ an-taniefitra, no namahana anareo tamin'ny mana*, izay hanina tsy fantatry ny razanareo; nampanetry tena anareo sy nizaha toetra anareo Izy mba hahasambatra anareo rahatrizay. 17Aoka ianareo tsy hanao anakampo hoe: «Ny tanjakay sy ny herinay no nahavorianay izao harena izao!»; 18tsarovy kosa fa ny TOMPO Andriamanitrareo no manome anareo ny hery hamoriana harena, ka mahatò tahaka ny amin'izao anio izao ny fanekempihavanana* izay nataony sady nianianany tamin'ny razambenareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12