vendredi 22 avril 2016

Zoma 22 Aprily 2016 - Deo 3 : 1 - 7

1Dia nihodina niakatra tamin'ny lalana mankany Basàna* isika; ary niainga hiady amintsika tao Edrehỳ i Hôga mpanjakan'i Basàna, mbamin'ny tafiny manontolo. 2Tamin'izay, dia hoy ny TOMPO tamiko: «Aza matahotra an'i Hôga ianareo, fa efa natolotro eo an-tananareo izy sy ny tafiny manontolo mbamin'ny taniny; ary ny hataonareo amin'i Hôga dia araka izay nataonareo tamin'i Sihôna mpanjaka amôrita, izay nonina tao Hesbôna.» 3Dia natolotry ny TOMPO Andriamanitsika eo an-tanantsika koa i Hôga, mpanjakan'i Basàna, mbamin'ny tafiny manontolo; noresentsika ireo ka tsy nisy niangana na iray akory aza. 4Afatsika tamin'izay ny tanànany enimpolo izay nanjakàn'i Hôga manerana ny faritany Argôba manontolo tao Basàna. 5Tanànamimanda avokoa ireo tanàna ireo ka samy nisy manda avo sy vavahady voahidy mafy; ankoatra ireo, dia nisy tanàna kely maro dia maro. 6Noravantsika tanteraka ireny tanàna ireny ary naringantsika ny lehilahy mbamin'ny zaza amam-behivavy isan-tanàna, toy ny nataontsika tamin'ny tanànan'i Sihôna mpanjaka tao Hesbôna. 7Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin'ireo tanàna ireo no nobabointsika.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12