vendredi 15 avril 2016

Zoma 15 Aprily 2016 - Est 8 : 1- 9

1Androtr'io ihany dia nomen'ny amperôra Kserksesa ho an'i Estera mpanjakavavy ireo fananan'i Hamàna fahavalon'ny Jiosy. I Môrdôkay koa, rehefa nampahafantarin'i Estera fa rainy izy, dia nasaina hankeo amin'ny amperôra. 2Ary nesorin'i Kserksesa ilay peratra tombokase, izay efa nalainy tamin'i Hamàna, ka nomeny an'i Môrdôkay'>. Ankoatra izany i Môrdôkay dia notendren'i Estera hitantana ireo fananan'i Hamàna.

3Dia niteny teo anatrehan'ny amperôra indray i Estera sady niankohoka teo an-tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hanafoana ny loza notetehin'i Hamàna taranak'i Agagajereo 3.8-19. –taranak'i Agaga: jereo 3.1 sy nta.'> hamelezana ny Jiosy. 4Ary notondroin'ny amperôra tamin'ny tehim-bolamena i Estera'>, ka nitsangana sy nijoro teo anatrehany 5ary nanao hoe:

–Ry andriamanjaka, raha sitrakao sy ataonao ho mety ary raha mba mahazo fitia eo anatrehanao sy tsara eo imasonao aho, dia aoka hisy soratra hanova ireo taratasy voahevitr'i Hamàna zanakalahin'i Hamedatà sady taranak'i Agaga. Nosoratan'i Hamàna manko ireny taratasy ireny hampandringana ny Jiosy any amin'ny faritany rehetra manerana ny fanjakanao. 6Ka hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ireo mpiray firenena amiko sy ny fandringanana ireo iray firazanana amiko?

7Dia hoy ny amperôra Kserksesa tamin'i Estera mpanjakavavy sy tamin'i Môrdôkay ilay Jiosy:

–Indro efa nahantona tamin'ny hazo i Hamàna satria naninji-tanana hamely ny Jiosy; sady ireo fananany koa, ry Estera, efa nomeko anao. 8Tsy azo foanana rehefa taratasy voasoratra tamin'ny anarako sy voatomboka tamin'ny peratro; kanefa manorata taratasy amin'ny anarako ianareo, araka izay sitrakareo mba hamonjena ny Jiosy, ka tombohy amin'ny peratro izany.

9Tamin'io andro io, andro faha-23 tamin'ny volana fahatelo na volana Sivàna, dia nantsoina ny mpitantsoratry ny amperôra. Araka izay rehetra nandidian'i Môrdôkay no nanoratany taratasy ho an'ny Jiosy sy ny solotenan'ny amperôra mbamin'ny governora sy mpitondra any amin'ny faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiôpia. Taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony na araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny Jiosy no nataony.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12