mardi 19 avril 2016

Talata 19 Aprily 2016 - Jos 8 : 1 - 29

1Dia hoy ny TOMPO tamin'i Josoa:
–Aza matahotra na mivadi-po ianao. Ento miaraka aminao ny tafikao manontolo ka miaingà hamely an'i Hay. Indro fa hatolotro ho eo an-tananao ny mpanjakan'i Hay sy ny vahoaka ary ny tanànany sy ny taniny. 2Tahaka izay nataonao tamin'i Jerikao sy ny mpanjakany no hataonao amin'i Hay sy ny mpanjakany, saingy azonareo baboina avokoa ny fananany sy ny biby fiompiny. Ametraho miaramila mamitsaka hamely ny tanàna avy ao ivoho eto dia ilazana ny lafiny mifanohitra amin'ny vavahady; mazava ho azy fa ny vavahady no ifantohan'ny mason'ireo mpiaro ny tanàna.'>.

3Dia niainga hamely an'i Hay i Josoa sy ny tafiny. Ary i Josoa nifidy lehilahy mahery fo miisa telo alina, dia naniraka azy nony alina 4sady nanome baiko azy hoe:
–Mandehana mamitsaka ao ivohon'ny tanàna ianareo ka aza manalavitra azy loatra fa samia vonombonona. 5Izaho sy ny olona rehetra miaraka amiko kosa hanatona ny tanàna; ary rehefa mivoaka hifanehatra aminay toy ny tamin'ny voalohany ny mponin'i Hay, dia handositra eo anoloany izahay. 6Hivoaka hanenjika anay ireo ka hotarihinay ho lavitra ny tanàna. Hoheveriny manko fa mandositra eo anoloany toy ny tamin'ny voalohany izahay. 7Amin'izay ianareo no hipoitra avy ao amin'ny famitsahana ka haka ny tanàna, satria hatolotry ny TOMPO ho eo an-tananareo i Hay. 8Ary raha vao azonareo ny tanàna, dia dory amin'ny afo araka ny tenin'ny TOMPO. Izany no baiko omeko anareo.

9Dia nalefan'i Josoa ireo lehilahy mahery fo ireo ho any amin'ny faritra hamitsahany ka lasa naka toerana teo andrefan'i Hay, teo anelanelan'i Betela sy i Hay; fa i Josoa nijanona teo anivon'ny tafika sisa ihany tamin'io alina io.

10Nony ampitso dia nifoha vao maraina be i Josoa ka nisafo ny tafika; avy eo dia nitarika azy hiakatra hamely an'i Hay izy sy ny loholon*'i Israely. 11Ny miaramila rehetra izay niaraka tamin'i Josoa dia niakatra ka tonga teo amin'ny tandrifin'ny tanàna; ary nitoby teo avaratr'i Hay ireo ka lohasaha no nanelanelana azy amin'ny tanàna. 12Efa nifantina tokony ho dimy arivo lahytelo alina voalaza etsy aloha (and 3) izany kanefa toa mba mitombina kokoa.'> moa i Josoa ka nametraka azy hamitsaka teo andrefan'ny tanàna, teo anelanelan'i Betela sy i Hay. 13Ny tafika ankapobeny dia nitoby tao avaratry ny tanàna ary ny andiany sasany kosa tao andrefana, fa i Josoa nandany ny alina tao an-dohasaha. 14Raha nahita izany ny mpanjakan'i Hay, dia nampamoha vao maraina ny lehilahy tao an-tanàna; ary nivoaka faingana hifanehatra amin'ny Israelita izy mbamin'ny miaramilany rehetra, ka niroso nankany amin'ny toerana efa nifamotoanany teo aloha, any amin'ny lohasahan'i Jôrdàna; nefa tsy fantatry ny mpanjaka fa misy miaramila namitsaka hamely azy tao ivohon'ny tanàna. 15Nody resy teo anatrehany kosa i Josoa sy ny Israelita rehetra ka nandositra tamin'ny lalana mankany an-taniefitra'>. 16Dia nifampiantso hanenjika azy ny lehilahy rehetra tao an-tanàna, ary nanenjika an-dry i Josoa ka voatarika ho lasa lavitry ny tanàna. 17Tsy nisy lehilahy tavela intsony tao Hay fa samy nivoaka hanenjika ny Israelita avokoa, ary namela ny tanàna hidanadana teo. 18Dia hoy ny TOMPO tamin'i Josoa:
–Ambano amin'ny lefona eny an-tananao i Hay satria hatolotro eo an-tananao izy.

Dia nanambanan'i Josoa ny tanàna ilay lefona teny an-tanany. 19Fa raha vao naninji-tanana i Josoa, dia niroatra avy tao amin'ny fiafenany faingana ireo Israelita namitsaka, ary nihazakazaka niditra ny tanàna ka naka azy sady nandoro azy avy hatrany.
20Nony nitodika ireo lehilahin'i Hay, dia nahita fa niakatra ho any an-danitra ny setroky ny tanànany. Tsy nisy toerana handosirany intsony na ho aiza na ho aiza, fa ny Israelita izay nandositra ho any an-taniefitra dia nifotitra hamely ny mpanenjika azy. 21I Josoa sy ny Israelita rehetra manko, rehefa nahita fa azon'ireo miaramila avy tao ivoho ny tanàna ary niakatra ny setroky ny fandoroana azy, dia nifotitra ka namely ny lehilahin'i Hay. 22Ny Israelita tafiditra tao an-tanàna moa nivoaka hamely azy koa, hany ka latsaka teo afovoan'ny Israelita roa tonta ireo lehilahin'i Hay; nasian'ny Israelita ry zareo ka tsy nisy afa-nandositra, ary tsy nisy niangana velona 23afa-tsy ny mpanjakan'i Hay izay natao sambo-belona ary natolotra an'i Josoa. 24Novonoin'ny Israelita teny an-kodahoda avokoa ireo lehilahin'i Hay nanenjika azy. Ary rehefa matin'ny sabatra avokoa ireo, dia niverina tao Hay ny Israelita rehetra namely an-tsabatra ny mponina sisa tao. 25Maty tamin'izany andro izany avokoa ny mponina rehetra tao Hay, dia lehilahy sy vehivavy miisa 12000. 26Tsy nampidinin'i Josoa ny tanany nanambana lefona ambara-paharingan'ny mponina rehetra tao Hay. 27Araka ny baiko nomen'ny TOMPO an'i Josoa dia ny biby fiompy sy ny fananana izay tao an-tanàna ihany no azon'ny Israelita baboina. 28Nodoran'i Josoa i Hay ary nataony antontan-trano rava sy haolo mandrakizay'>, ka dia toy izany mandraka androany. 29Ny mpanjakan'i Hay kosa nahantona tamin'ny hazo; ka teo ihany mandra-paharivan'ny andro. Nony nilentika ny masoandro, dia nasain'i Josoa naidina ny faty olona nofaizina dia tsy azo ajanona hihantona eo foana mandritra ny alina (jereo Deot 21.22-23).'>, ka natsipy teo akaikin'ny vavahadin'ny tanàna ary notsindrina antontan-bato miavoavo izay mbola ao mandraka androany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12