lundi 4 avril 2016

Alatsinainy 04 Aprily 2016 - Jao 21 : 5 - 9

. 5Dia hoy i Jesoa taminy:
–Manan-javatra hohanina ve ianareo, rey anaka?

Ka novalian'ireo hoe:
–Tsia!

6Ary hoy Izy taminy:
–Alatsaho ao ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, fa hahazo ianareo.

Dia nalatsak'izy fito lahy ny harato, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny trondro. 7Ary hoy ilay mpianatra tian'i Jesoa tamin'i Petera:
–Ny Tompo io!

Vao ren'i Simôna Petera fa hoy ny Tompo io, dia niakanjoany ny akanjo ivelany fa efa nesoriny, ka lasa izy nirotsaka tao anaty rano. 8Fa ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno trondro; tsy lavitra ny tany manko izy ireo, fa tokony ho zato metatra eo ho eo. 9Rehefa tafakatra teo an-tanety izy fito lahy, dia nahita afon'arina teo sy trondro teo amboniny ary mofo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12