dimanche 20 août 2017

Alahady 20 Aogositra 2017 - Gen 39 : 19 - 23

19Tezitra mafy ilay tompon'i Jôsefa, rehefa nandre ny fitantaràn'ny vadiny izay nataon'ny mpanompony taminy. 20Koa nasain'i Pôtifara nosamborina i Jôsefa sy nasainy nohidîna tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin'ny mpanjaka.

Fa raha tao am-ponja i Jôsefa, 21dia nomba azy kosa ny TOMPO sy naneho hatsaram-po taminy, ka nampahita sitraka azy tamin'ny lehiben'ny fonja. 22Dia natolotr'ilay lehiben'ny fonja teo an-tanan'i Jôsefa avokoa ireo mpigadra rehetra, ka izy no mitarika ny asa rehetra nataon'ireo mpigadra. 23Koa ilay lehiben'ny fonja dia tsy niraharaha na inona na inona tamin'ny zavatra rehetra nankininy tamin'i Jôsefa, satria ny TOMPO nomba azy ka nanambina izay nataony.

Ny tantaran'i Josefa izay natao an-tranomaizina noho ny heloka tsy nataony akory no hita eto. Na eo aza izany dia miharihary fa:

Ny fandresena ny fijaliana dia
1-     Noho nv famindrampon’Andriamanitra
Voalaza ao amin’ny andininy faha 26 “fa Jehovah momba an’i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fìtia azy teo imason’ny mpitandrina ny trano maizina”. Tsy avelan’ny Tompo hiady irery ny mpanompony. Manomana fandresena miezinezina Izy, miara-dalana amin’ny fanatrehan’ny Tompo mandrakariva ny famindrampony sy ny fitiavany indrindra rehefa mijoro amin’ny fahamarinana isika.

2-      Noho ny fanambinanan’Andriamanitra
Voasoratra fa: “Jehovah nomba an’i Josefa ary izay nataony dia nambininy”. Ilay trano maizina izay natao ahakivy, hampitanondrika nanjary nahatsapana ny fanambinana avy amin’ny Avo indrindra. Izy Tompo no manova ny fotoan-tsarotra ho tonga fandresena araka ny teniny hoe: “Ny zavatra rehetra miara-miasa ahasoa izay tia an’Andriamanitra”.Toy izany koa isika, na eo aza ireo olana maro samihafa dia afaka miandrandra ny fanambinan’Andriamanitra hatrany isika.

Fanontaniana:

Tanisao ireo fotoan-tsarotra nodiavinao izay novan’ny Tompo ho fandresena miezinezina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12