dimanche 27 août 2017

Alahady 27 Aogositra 2017 - II Kor 1 : 3 - 7

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy* Tompontsika, ilay Ray feno hatsaram-po sady Andriamanitra loharanon'ny fampaherezana rehetra1.3 loharanon'ny fampaherezana rehetra: ampit Is 40.1; Sal 94.19.. 4Mampahery anay amin'ny fahoriana isan-karazany manjo anay Andriamanitra, ka ny fampaherezana azonay taminy no entinay mampahery ny olona ianjadian'ny fahoriana isan-karazany. 5Miara-mijaly be dia be amin'i Kristy izahay; ary betsaka araka izany koa ny fampaherezana azonay amin'ny alalan'i Kristy. 6Raha ampahorîna izahay, dia ho fampaherezana anareo sy ho famonjena anareo izany; raha ampaherezina izahay, dia ho fampaherezana anareo koa izany, ka miasa hiaretanareo fijaliana mitovy indrindra amin'izay entinay. 7Ary miorina mafy ny fanantenany ny aminareo, satria fantatray fa toy ny iombonanareo fijaliana aminay no iombonanareo fampaherezana aminay koa.

Ny fampiononana 

1- Ahazakana fahoriana
Raha jerena dia miverina im-balo ny teny hoe: “mampionona na fampiononana” eto. Eo anatrehan’ ireo mitondra fahoriana sy fijaliana dia vao mainka mihamahery ny mpiara-dia amin’ny Tompo. Manampy azy ireo ahazakany fahoriana ny fampiononana azy ireo. Ny teny hoe “mampionona” dia midika hoe mitoetra eo anilan’ny olona anankiray ka mampahery sy manampy azy ao anaty fotoam-pahasahiranana. Andriamanitra no tena mahatanteraka izany andraikitra izany amin’ny fanirahany ny Fanahy Masina hitondra fampiononana hoan’ny zanany.

2-Manorina fanantenana
Niainan’i Paoly teo amin’ireo zava-manahirana maro efa nitranga teo amin ny fíainany fa tsy misy fahoriana mihitsy na dia ireo izay tena maharary indrindra aza, afaka hampisaraka ny mpino amin’ny fanantenana sy ny fíkarakaran’ny Tompo. Manomana valim-pitia lehibe ho azy ny Tompo.Toy izany koa isika,arakaraka ny handalovantsika fotoan-tsarotra vao mainka velombelona ny fanantenantsika handresy.

Fanontaniana:

Lazao ireo andinin-tsoratra Masina ho fampaherezana ireo mandalo fjaliana

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12