mardi 29 août 2017

Talata 29 Aogositra 2017 - Sal 4 : 1 - 8

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny ilohan'antoko-mpihira.* Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida.

2Ry Andriamanitra mpanome rariny ahy ô,
raha miantso vonjy aho, mba valio.
Tao an-katerena aho no efa nafahanao;
iantrao àry aho ka henoy vavaka.
3Mandra-pahoviana, rey olona,
no handotoanareo ny voninahitro?
Ny hanendrikendrika ahy tsy amin'antony
sy ny hamoron-dainga hiampangana ahy:
izany no kendrenareo hatrany hatrany.

4Fantaro kosa fa igagana ny fitiavan'ny TOMPO ahy;
henoiny aho rehefa miantso vonjy aminy.
5Tezera kanefa aza manota ianareo4.5 Jereo Ef 4.26.,
mieritrereta eo am-pandriana kanefa aza manahy.

6Fa manaova kosa sorona* araka ny lalàna
ary dia matokia ny TOMPO.
7Maro ny olona mitaraina hoe:
«Mba te hahita fahasambarana izahay,
ka jereo amin-kamorampo, TOMPO ô.»
8Nasianao fifaliana kosa ato am-poko
mihoatra noho ilay fifalian'ireo,
amin'ny itobahan'ny variny sy ny divainy.

Ny Vavolombelon’ny Tompo 

1-Mahazo valimbavaka
Manome safidy malalaka ny Tompo ho an’ny tsirairay. Tsy tokony hadinontsika anefa ny herin’Andríamanitra fa tena azo ianteherana tokoa, na dia potika sy rava aza ny zavatra rehetra, ary na eo aza ny fíjaliana sy fahoriana, ny Tompo dia eo mandrakariva: “Jehovah hihaino raha miantso Azy aho” (Sal 4, 3), tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay Izy ka mamaly vavaka. Mampanantena ny Tompo fa ho avy ny fotoana izay hanavahany ny tsara sy ny ratsy; ary ny tsara izay ankasitrahany dia hiaina amin’ny fiadanana sy fifaliana mandrakizay.

2-Mandresy nv fahotana
Misy ny sasany, izay milaza azy ho mpanompo kanefa miaina ao anaty faharatsiana.Toa zary endrika ivelany ihany ny maha kristiana kanefa manara-po amin’ny fílàna maro samihafa ary miaina aniin’ny tsy fahamarinana, manjary manala baraka an'i Krìsty.Tia zava-poana. Miala amin’izany ny tena mpanompon’ Andriamanitra araka ny baiko hoe: “Tezera fa aza manota” (Sal 4, 4).
Fanontaniana:

Inona avy ireo fepetra sy dingana mba handraisana valim-bavaka?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12