mercredi 16 août 2017

Alarobia 16 Aogositra 2017 - Rom 8 : 14 - 17

14Eny, izay rehetra tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra*. 15Satria tsy fanahy maha mpanompo no voarainareo ka hahatonga anareo hatahotra indray; fa ny Fanahy Masina maha zanak'Andriamanitra no voarainareo, ka ahafahantsika miantso an'Andriamanitra hoe: «Raiko ô8.15 Raiko ô: eto ny rijan-teny grika fototra dia mampiasa ihany koa ny teny aramianina hoe Abbà. Jereo Mk 14.36 sy nta.!» 16Ny Fanahy Masina mihitsy no manambara amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17Ary raha zanaka, dia mpandova koa; ka sady mpandova ny soa nampanantenain'Andriamanitra no mpiara-mandova izany amin'i Kristy: satria raha miara-mijaly amin'i Kristy isika, dia hiara-komem-boninahitra8.17 Ampit 2Kôr 4.17; 1Pt 4.13. aminy koa.

Famantarana ny maha-zanak’Andriamanitra
1" Tarihin’nv Fanahin’Andriamanitra 
Eto dia misy karazana fanahy roa izay mandrirotra ny olombelona. Ny iray fanahim-pahandevozana ho amin’ ny tahotra (andl5a), ny iray kosa fanahin’ny zanaka natsangana (andl5b). Tamin’ny alalan’io fanahy io dia voatsangana ho zanany izay nandray Azy. Amin’izay ataony rehetra dia mametraka mandrakariva ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana.
2- Mpirav lova ao amin’ i Kristv
Eo amin’ny fianakaviana dia tsy afaka handova amin’ny olona iray ny zanaky ny mpiray tampo aminy, saingy raha voatsangana kosa aty aoriana dia mahazo anjara amin’izany lova izany. I Kristy dia zanak’ Andriamanitra Lahitokana. Nanolotra ny ainy Izy mba hamonjy izao tontolo izao .Nanome hery ho an’izay rehetra nandray Azy mba ho tonga zanak’ Andriamanitra. Rehefa tonga zanak’Andriamanitra, dia mpandova amin’izay manomboka eo, ka afaka miara- manjaka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra.
Raha te-ho zanak’Andriamanitra ary, dia tsarovy, fa tsy maintsy manaiky ny Fitarihin’ny Fanahy Masina, ary manantena fa handray ny lova izay nampanantenanan’ Andriamanitra homeny izay tia Azy rahatrizay.
Fanontaniana:

Hatraiza ny fahatsapanao izany hasarobidin’ny hoe mpiray lova amin’ i Kristy izany?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12