mardi 15 août 2017

Talata 15 Aogositra 2017 - Mat 10 : 21 -23

21Hisy olona hanolotra ny iray tampo aminy hovonoina; hisy raim-pianakaviana hanolotra ny zanany hovonoina; ary hisy zanaka hanohitra ray aman-dreny ka hampanameloka azy ho faty. 22Ho halan'ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; fa izay haharitra hatramin'ny farany dia ho voavonjy. 23Raha enjehina amin'ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin'ny tanàna hafa; eny, lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra voatetinareo akory ny tanàna eto Israely, dia ho avy ny Zanak'olona*.

Efa nampionona antsika ny Tompo mba hanantsika faharetana eo anatrehan’ny disadisa, lonilony izay taratry ny korontana eo anivon’ny ankohonana sy ny mpianakavy. Eo anatrehan’ireo:
Ny vavolombelon’ ny Tompo dia
1-Mandresv manoloana ny adv atrehany
Efa voasoratra fa “ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany ary nyzanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy” (Mat 10,21). Hita taratra ny  fahatanterahan’ ireo eo amin’ny fiaraha-monina. Ny ankohonana Kristiana kosa dia mahatsiaro fa azo atao tsara ny miaina amim-pirahalahina, mandresy ny fifankahalana noho ny fanatrehan’ i Kristy.
2- Manana faharetana
Fifankatiavana, fandeferana, faharetana no toromarika omen’ny Tompo hiatrehana ny fijaliana .Tsy sitraky ny Tompo ny herisetra sy ny valifaty fa fifankatiavana no asetriny ireo.Tsy noteneniny fotsiny fa niainany mihitsy ny hoe: “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena” (Mat 10, 22)
Fanontaniana

Hatraiza ny faharetanao manoloana ireo ankohonana na fianankaviana izay tsy mitovy hevitra aminao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12