lundi 21 août 2017

Alatsinainy 21 Aogositra 2017 - Asa 7 : 51 - 56

51Olona mafy hatoka, mpikomy sady mpanetsin-tadîny ianareo! Toherinareo lalandava ny Fanahy Masina; dia ny razanareo navela mihitsy ianareo. 52Iza moa no mpaminany tsy nenjehin'ny razanareo? Novonoiny hatramin'ireo mpanambara ny hahatongavan'ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina7.52 and 51-52: ampit Is 63.10; 2 Tan 36.16; Mt 23.31.. 53Nandray ny lalànan*'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny anjely ianareo, kanefa tsy nitandrina azy7.53 Misy tokoa lovantsofin'ireo rabỳ (na mpampianatra jiosy) milaza fa ny fanambaràna ny lalànan'Andriamanitra tany Sinay dia natao tamin'ny alalan'ireo anjely. Ampit Gal 3.19; Heb 2.2..

54Nony nandre izany teny izany ry zareo tao amin'ny Fitsarana ambony*, dia nisafoaka mafy ary nihidy vazana tamin'i Stefàna. 55Feno Fanahy Masina kosa i Stefàna ka nibanjina ny lanitra, nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy i Jesoa teo ankavanan'Andriamanitra, 56ary niteny hoe:
–Indro hitako izao ny lanitra misokatra sy ilay Zanak'olona* mijoro eo ankavanan'Andriamanitra.


1- Manana fahasahiana
Tsy nisalasala i Stefana nanambara mivantana ny toetran’ireo nifanatrika taminy: Mafy hatokana, tsy voafora fo sy sofina, manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva, mpanenjika ny mpaminany, mpamadika, mpamono. Hita araka izany fa manana fahasahiana feno i Stefana. Ankehitriny dia tsikaritra fa na dia fantatry ny mpitarika sasany aza ny ditran’ny ondriny dia sadaikatra izy hanitsy sy hananatra.Aoka isika hanana fahasahiana hanitsy sy hananatra. I Jesoa ihany koa dia nilaza nivantana ny toetran’ireo fariseo sy mpanora-dalana mpihatsaravelatsihy.

Ny olona tsy manana antoka ny fíainana mandrakizay dia mihorohoro eo anatrehan’ny fahafatesana.Tsy mba toy izany i Stefana fa vao maika nanamafy ny fanantenany ny lalan-tsarotra natrehany. Ny voninahitr’ Andriamanitra no hitan’i Stefana ary feno ny Fanahy Masina izy. Mandresy ny fíjaliana ny fanantenana. Toy izany koa isika: Fantaro fa ny anton’ny ady izay atrehantsika dia izay ahatonga antsika ho mpandresy. Aoka tsy ho kivy fa fantaro ny fikasan’ny Tompo izay manomana hoavy mamirapiratra ho anao.
Fanontaniana:

Mba misy manana fahasahiana sy fanantenana tahaka an’i Stefana ve ny ankamaroan’ny mpitory filazantsara ankehitriny?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12