32Fa raha mampahory Izy, dia mamindrafo
araka ny halehiben'ny fitiavany.
33Fa tsy sitrany ny mampahory
na mampijaly ny olombelona.
1- Ny fijaliana mandalo
Mazava tsara ny Fit 3, 31-33 izay
manambara fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo ary tsy sitrany ny mampahory na
mampalahelo ny zanak’olombelona. Na dia manadalo fotoan-tsarotra aza ny mpino dia
voafetra ihany izany satria ny Tompo miantra sy
miasa hoan'
ny mpanompony. Hoy izy hoe: Tzaho mahalala izay hevitra hiheverako anareo dia
hevitra ahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanatenana ny amin’ny
farany".
“Dia mbola hiantra ihany Izy araka ny haben’ny
famindrampony" (Fit 3,32)
Io famindrampon'Andriamanitra
io no manazava ireo fahombiazana sy fandresena samihafa eo amintsika. lo no tsy
mahalany ritra antsika. Ny ran’i Jesoa Kristy latsaka teo amin'ny hazo
fijaliana no nanova ny fahatezeran’Andrimanitra ho tonga famindrampo tsy mety
lany. Hery lehibe hoantsika io haben’ny famimdram-pon’Andriamanitra io. kanefa
aoka tsy hararaotina hanantanterahana ireo filàna maro samihafa. Mahaiza manome
voninahitra an'ny Tompo mifanaraka amin’izany.
Fanontaníana
Inona avy ireo fomba fiady mifanaraka
amin'ny sitrapon’Andriamanitra entina mandresy ny fahakiviana?