jeudi 17 août 2017

Alakamisy 17 Aogositra 2017 - Gen 31 : 36 - 40

36Tezitra i Jakôba ka nifamaly tamin'i Labàna nanao hoe:

–Inona no fahadisoako, ary inona no heloko no dia nilomay nanenjika ahy ianao? 37Nosavanao ny entako rehetra, ka inona no hitanao? Asehoy eo imason'ny havanao sy ireo havako izany hitsarany antsika. 38Roapolo taona izao no efa niarahako taminao, nefa ny ondrivavinao aman'osivavinao tsy mba namotsotra; sady tsy mbola nihinana ondrilahy tamin'ny andian'ondrinao na oviana na oviana aho. 39Tsy mbola nitondra ireo fatim-biby voaviraviran'ny bibidia tany aminao mihitsy aho, fa izaho no nanolo azy; teo am-pelatanako no nitadiavanao izay nangalarin'olona na tamin'ny andro na tamin'ny alina31.39 Ampit Eks 22.12; Ham 3.12. Ny mpiandry ondry, izay afaka mitondra ireo sisa tsy lanin'ny biby, dia tsy mizaka ny fahavoazana teo amin'ny zavatra very.. 40Niaritra ny hafanana amin'ny antoandro aho, ary jihitry ny hatsiaka amin'ny alina ka tsy nopizin-tory akory.

Ny vavolombelon’ny Tompo:
1-     Miaina amin’nv fahamarinana
Nahatezitra fatratra an'i Jakoba ny fanenjehana nataon’i Labana taminy. Nasehon’i Jakoba anefa fa marina izy. Ny fisavana natao tamin’ny tao antranony sy ny entany dia nanamarina izany (31, 37). Nanatontosa ny asany tamim-pahamarinana izy. Ary toy izany ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy, tamin-kitsim-po sy fahamarinana. Meteza ho toy izany koa eo amin’ny asa napetraka ho andraikitrao.Mba ho olona tena mahatoky.
2-     Miaina aniin’nv fahatokiana
Nanatsara ireo teo an-tanany, izay fananan’i Labana no nimasoany.Izany hoe tena azo ametrahana fitokisana tanteraka ka amin’izany dia mandry ivohon’ny vato mihitsy ny tompom-pananana, ary araka ny fantantsika teo dia nandritra ny roapolo taona, izany hoe fotoana maharitra no niainan’i Jakoba tamin’izany fiainanam- pitokisana izany fa tsy mandalo fotsiny ihany. Ny hafatra hafa ihany koa anefa dia izao: na dia manao ny mety aza isika dia tsy maintsy misy foana no manenjika antsika. Nefa tsy atao mampivalaketraka izany satria isika dia miara-dalana amin’Ilay Tompo hatrany ka mampandresy antsika Izy.

Eanontaniana:

Hatraiza ny fiainanao amin’ny fahamarinana sy ny fahatokiana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12