mercredi 30 août 2017

Alarobia 30 Aogositra 2017 - Jer 38 : 7 - 16

7Ary ren'ilay Etiôpianina atao hoe Hebeda-Melèka izay lehilahy nahatoky tao an-dapan'ny mpanjaka fa natsipy tao an-dava-drano i Jeremià. Ny mpanjaka kosa tamin'izay dia nipetraka teo am-bavahadin'i Benjamîna; 8koa niainga avy tao an-dapa i Hebeda-Melèka, ary niteny tamin'ny mpanjaka hoe:
9–Ry andriamanjaka ô, zava-dratsy avokoa izay rehetra nataon'ireo lehilahy ireo tamin'i Jeremià mpaminany* fa natsipiny tao an-dava-drano izy ka ho faty mosary ao, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.
10Dia nanome baiko an'i Hebeda-Melèka etiôpianina ny mpanjaka hoe:
–Mitondrà telopolo lahy avy eto hiaraka aminao, ka ampiakaro hiala tao an-dava-drano i Jeremià dieny mbola tsy maty.
11Dia naka telopolo lahy hiaraka aminy i Hebeda-Melèka, ka nankao an-dapan'ny mpanjaka tao amin'ny efitrano fitahirizan-javatra; ary naka fitafiana rovitra sy tonta tao izy, ka nampidininy ho eo amin'i Jeremià tao an-dava-drano tamin'ny tady mahazaka. 12Ary hoy i Hebeda-Melèka etiôpianina tamin'i Jeremià hoe:
–Ataovy ao ambany helikao ireo vorodamba ireo ka apetraho eo ambaniny ny tady mahazaka.
Rehefa nataon'i Jeremià izany, 13dia nosintonin'ireo ny tady mahazaka ka nakariny avy tao an-davaka i Jeremià; ary nipetraka tao an-kianjan'ny trano fiambenana izy.
Nanontany an'i Jeremià indray i Tsedekià mpanjaka
14Ary naniraka olona haka an'i Jeremià i Tsedekià mpanjaka ka nandray azy manokana teo amin'ny fidirana fahatelo mankao an-tranon'ny TOMPO, sady nanao taminy hoe:
–Hanontany zavatra aminao aho, ka aza misy afenina amiko.
15Dia hoy i Jeremià tamin'i Tsedekià:
–Raha milaza ny marina aminao aho, dia hovonoinao ho faty. Ary raha manoro hevitra anao aho, dia tsy hohenoinao akory.
16Fa nianiana mangingina tamin'i Jeremià ny mpanjaka, ka nanao hoe:
–Velona ny TOMPO Izay nanome aina antsika, ka mianiana aminao aho fa tsy hamono anao ho faty, ary tsy hanolotra anao amin'ireo olona mifofo ny ainao.

Ny fandresena omen’ny Tompo
Efa nampiomana an’i Jeremia ny Tompo fa maro ireo fíjaliana tsy maintsy atrehany. Nefa hoy Izy hoe: “momba anao Aho, hamonjy anao Aho”. Jer 1, 8. Ny fanafahana sy fiarovana no nasehon'ny Tompo an’i Jeremia.
1-    Fanafahana
Teo anatrehan’ny fanenjehana, fanagadrana, fandahatsahana an-davaka dia naneho ny fahalebiazany ny Tompo. Na eo aza ny fíjaliana tsy maintsy atrehan’ny mpanara-dia ny Tompo dia tsy mitaza- potsiny Izy, fa manafaka amin’ny loza. Ebeda-meleka eto no fitaovana nentiny nanafahana an’i Jeremia. Andriamanitra dia tsy mitsahatra mikaroka ny fomba rehetra hanafahana antsika.Ny Zanany Lahy tokana no antoka tsara indrindra amin’izany.
2-     Fiarovana
Nanome toky Zedekia mpanjaka ary nianiana fa tsy hanome na hanolotra an’i Jeremia eo an-tanan’ireo olona mitady ny ainy ireo. Sady manafaka ao anaty lavaka ny Tompo no miaro ny ain’ny mpanompony. Toky ho antsíka izany fa misy olona efa omanin’ny Tompo izay hitondra vahaolana azo antoka ho antsika, porofon’ny teniny izany manao hoe: “Hamonjy anao Aho”
Fanontaniana:
Tanisao ireo toe-javatra efa niainanao nanehoan’ny Tompo ny fiarovana sy ny fanafahany anao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12