samedi 19 août 2017

Sabotsy 19 Aogositra 2017 - Jer 39 : 11 - 18

11Ary i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilôna nanome baiko an'i Nebozaradàna lehiben'ny mpiambina ny amin'i Jeremià ka nanao hoe: 12«Ndeha alaovy izy, ary tandremo tsara mba tsy hisy hanisy ratsy azy, fa ataovy izay angatahany aminao!» 13Ary i Nebozaradàna lehiben'ny mpiambina nifanaraka tamin'i Nebosazbàny izay lehilahy tena mahatoky ny mpanjaka sy i Nergala-Saretsera lehiben'ny etamazaoro sy ny manamboninahitra sisa rehetran'ny mpanjaka, 14ka nampaniraka haka an'i Jeremià tao an-kianjan'ny trano fiambenana, dia nanolotra azy teo an-tanan'i Gedalià, zanakalahin'i Ahikama sady zafikelin'i Safàna. Ary i Gadalià kosa dia hamela an'i Jeremià hody any aminy. Dia niaina teo anivon'ny vahoaka i Jeremià.

15Fa fony mbola voatana tao an-kianjan'ny trano fiambenana i Jeremià, dia nisy kosa tenin'ny TOMPO taminy nanao hoe: 16«Mandehàna lazao amin'i Hebeda-Melèka39.16 Momba an'i Hebeda-Melèka, jereo 38.7-13. etiôpianina hoe: ‹Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Indro efa nambarako tamin'ny mponin'ity tanàna ity ny loza fa tsy ny soa. Noho izany dia hotanterahiko izay nolazaiko ary ho tsapanao tsy ho ela izany. 17Nefa amin'ny andro izay hahatongavan'izany loza izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hafahako ianao, ka tsy hatolotro eo an-tanan'ireo olona atahoranao. 18Havotako tokoa ianao mba tsy ho faty an'ady, ka ho voavonjy ny ainao, satria natoky Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.› »


Raha mitopy amin’ity Jeremia ity, dia hita taratra, fa maniraka mpaminany ny Tompo mba hanambara izay hanjo ny tanàna. Araka izany:
Ny fandresena ny fìjaliana dia
1-    Amin’ny alalan’ny fihainoana
Miaro ny olony amin’ny fomba rehetra ny Tompo amin’ny fanomanany azy ireo amin’ny alalan’ ny mpaminany. Tsy mora anefa izany fa mila fikirizana, mila fifantohana tanteraka amin’izay hafatra am- pitaina. Tsy voatery fifaliana foana no re fa aoka koa ny loza (Jer 39, 16b). Amin’izany dia ny fihainoana,ny fankatoavana no maha voavonjy (and 18).
2-     Amin’nv alalan’nv fahatokiana
Amin’izao vanin'andro izao dia mbola manirika olona ny Tompo mba hananantsika fahatokiana. Andriamanitra velona sy mahery ny Tompontsika, manome toky Izy fa hamonjy antsika. Hoy Izy hoe: “nefa hovonjeko amin'izany andro izany, hoy i Jehovah, fa tsy mba hatolotro eo an-tanan’ny olona izay atahoranao (39, 17), Manamafy izany ny (Rom8, 37) manao hoe: *‘Matokia, Izaho efa naharesy izao tontolo izao”.
Ny ataontsika rehetra hitany sy fantany ary tsy misy miafina Aminy, fa tsy tiany hisy ho very na dia iray aza isika. Meteza “mihaino -mandray-Mankato”. “Jehovah no mandeha eo alohanao”... (Deo 31,8)
Fanotaniana:Inona ireo singa samihafa izay manelingelina ny fihainoana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12