mercredi 23 août 2017

Alarobia 23 Aogositra 2017 - Heb 10 : 32 - 34

32Tsarovy ny nanjo anareo tamin'ny andro fahiny. Fa rehefa nohazavain'Andriamanitra ianareo, dia niharam-pijaliana sy niaritra ady mafy tokoa: 33novetavetaina sy nampahorîna teo imasom-bahoaka ianareo indraindray, na niara-nizaka izay nanjo an'ireo natao toy izany koa indraindray; 34niarahanareo niaritra ny fijalian'izay voafonja; ary nony norobaina ny fanananareo, dia nekenareo tamin-kafaliana izany satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sady maharitra ianareo.

Ny Mampiavaka Ny Vavolombelon’ny Tompo Dia:
1- Manana faharetana
Nira-niaritra tamin’izay nifatotra ny mpino voalaza eto, niharitra ny ady mafy tamin’ny fahoriana. Sady miaina faharetana no miaraka amin’ny hafa miaritra ady mafy. Na teo aza izany dia maivana ny fíjaliana rehefa maneho fíraisan-kina, fiombonana ny mpino, araka ny baiko hoe: “miraisa saina, miray fítiavana, miray fo, miray hevitra” (Fil2, 2).

2-     Manana fifaliana
Vao maika nahafaly ny mpino ny fandrobana ny fananany ho setrin’ny fíkirizany amin'ny fanompoana. Fantany fa tsy foana tsy akorv ny fikelezany aina (I kor 15,58)
Fantany fa manana fanantenana tsara sy maharitra izy. Efa ny harena maharitra mandrakizay no katsahiny fa tsy nampaninona azy intsony izay harena mora simba sy mety lo.

Fanontaniana:

Nahoana ireo vavolombelon’ny Tompo no mbola nahita fífaliana na dia norobaina aza ny fananany?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12