jeudi 24 août 2017

Alakamisy 24 Aogositra - Eks 17 : 11 - 15

11TOMPO ô, iza moa no andriamanitra tahaka Anao?
Iza no malaza amin'ny fahamasinana tahaka Anao,
mahatahotra, mendri-piderana,
afaka manao zava-mahagaga?
12Nahinjitrao ny tananao ankavanana,
dia natelin'ny tany ireny.
13Tarihinao amin'ny fitiavanao
ny vahoaka izay navotanao.
Amin'ny herinao no itondranao azy
ho amin'ny fonenany masina.
14Mandre izany ny firenena maro ka mihorohoro;
mihoron-koditra ny Filistinina,
15raiki-tahotra ireo lehiben'i Edôma
ary mangovitra ireo andriandahin'i Môaba;
kivy ny mponina rehetra any Kanahàna.

Mandresy ny fijaliana ny Mpino
1-    Miankina amin’Andriamanitra
Ny fanandratan’i Mosesy ny tanany dia mampiharihary ny fiankinany sy ny finoany an’Andriamanitra. Nitondra fandresena lehibe izany. Midika vavaka sy fifonana io tanan’i Mosesy misandratra io. Mifampiankina amin’io vavaka io ny valim-bavaka teo amin’ny vahoaka.Soa ihany fa eo Jesoa araka izay voalaza ao amin’ny Heb 7, 25:”Koa amin’izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.”
2-     Miray hina
Ny firaisan-kina teo amin' i Arona sy Hora miaraka an’i Mosesy ,andaniny ary teo amin’i Josoa sy ny vahoaka ankilany dia midika ho finoana arahin’asa mitondra amin’ny fandresena: Nanampy an’i Mosesy, i Arona sy Hora, nanohana ny tànany. I Josoa kosa niatrika mivantana ny ady. Hoy ny bokin’ny Ohabolana hoe: “Ary ny fahaizana mandamina tsara no entinaro miady” (Oha 24, 6).

Fanontaniana:

Inona avy no azo atao ho fampiharana sy hampitombo ny fiankinana amin’Andriamanitra ary ny firaisan-kina eo amin’ny samy mpanompo?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12