lundi 28 août 2017

Alatsinainy 28 Aogositra 2017 - Gen 47 : 23 - 27

23Dia hoy i Jôsefa tamin'ny vahoaka:
–Ankehitriny efa voavidiko ho an'ny Farao ny tenanareo sy ny taninareo, koa homeko masom-boly ianareo hafafinareo any amin'ny taninareo. 24Fa rehefa miakatra ny vokatra, dia haterinareo ho an'ny Farao ny ampahadiminy; ny efatra ampahadiminy kosa dia hotazoninareo mba ho masom-boly ary koa ho sakafonareo sy ny zanakareo mbamin'izay rehetra mipetraka ao an-tranonareo.

25Ka hoy ny navalin'ireo hoe:
–Namonjy ny ainay ianao, tompokolahy. Nahita sitraka teo imasonao izahay, koa ekenay ny ho mpanompon'ny Farao.

26Toy izany no namoahan'i Jôsefa lalàna tany Ejipta, lalàna mbola manan-kery mandraka androany, fa ny ampahadimin'ny vokatra dia aterina ho an'ny Farao. Ny tanin'ny mpisorona irery ihany no tsy mba lasa fananan'ny Farao.

27Nipetraka tany Ejipta, tao amin'ny faritr'i Gôsena, ny Israelita. Nahazo zaratany tao izy, dia niteraka, ka nihamaro fatratra.

Ny fandresena ny fìjaliana

1-    Mila mpamonrv
Ny fijaliana voalaza ato dia ny mosary, i Josefa no nirahin’Andriamanitra hitondra vahaolana manoloana izany. Ny fitsinjovantsika ny ampitso amin’ny aìalan’ny tahiry no vahaolana nentiny. Tandindon’i Kristy i Josefa eto, i Kristy izay nanampy ny olona handresy ny mosary tamin’ny alalan’ny fahagagana nataony; Ao aminy no misy fiainana dia fiainana be dia be (Jao 10, 10), Miditra an-tsehatra amin’ny fiainana andavanandrontsika ny Tompo: manasitrana ny aretina Izy, mamoky ny noana ary manendry olona hitondra vahaolana. Misy vokatra amin’ny fiainantsika andavan’ andro sy ny ankehitrinintsika ny famonjen’ Andriamanitra.

2-     Mila fanolrantena fanoloran-tena
Rehefa voavonjy tamin’ny alalan’ i Josefa ny olona dia nanolo-tena ho mpanompon’ i Farao. Araka izany, izay mahatsiaro ny famonjen’i Kristy dia mila manolo-tena ho Azy. Izy rahateo nilaza fa izay manatona Azy tsy mba holaviny mihitsy (Jao 6, 37). Ny fitia mifamaly mahatsara fihavanana.Midika fitiavan-tena ihany raha toa ka nandray fahasoavana avy amìn’ny Tompo nefa sady tsy mahay mankasitraka no tsy manolo-tena ho Azy.
Fanontaniana:

Inona no valim-pitia omentsika ny Tompo noho ny famonjeny antsika?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12