vendredi 25 août 2017

Zoma 25 Aogositra 2017 - Asa 22 : 25 - 39

25Efa voafatotra hokapohina i Paoly no niteny tamin'ilay kapiteny nanatrika teo hoe:
–Azonareo kapohina ve ny olona mizaka ny zom-pirenena rômanina, na dia tsy mbola voatsara aza22.25 Jereo 16.37 sy nta.?

26Nony nandre izany teny izany ilay kapiteny, dia nandeha nampandre ny komandy sady nilaza hoe:
–Inona ity hataonao? Olona mizaka ny zom-pirenena rômanina io lehilahy io.

27Nanatona an'i Paoly kosa ny komandy ka nanontany azy hoe:
–Hono ho'aho, mizaka ny zom-pirenena rômanina ve ianao?

Dia novaliany hoe:
–Eny.
28Ary izao no tenin'ny komandy:
–Izaho dia vola be tokoa no naloako hizakako ny zom-pirenena rômanina.

Fa hoy i Paoly:
–Izaho kosa vao teraka dia efa nizaka izany.

29Niaraka tamin'izay dia nihataka ry zareo efa ndeha hikapoka an'i Paoly hanerena azy hiteny; natahotra mbamin'ilay komandy aza nony nahalala fa mizaka zom-pirenena rômanina i Paoly, satria izy komandy no efa nampamatotra azy.

Maro ireo toe-javatra izay mampiavaka ny mpino
amin’izao tontolo izao:

Ny mampiavaka ny vavolombelon’ny Tompo dia:

1-    Manana mpiaro
Ho setrin’ny fijoroan’i Paoly amin’ny fahamarinana, amin’ny fitoriana ny filazantsara, dia nisy Jiosy nampikotaba ny vahoaka (21-27), voasambotra i Paoly (21, 30) ary nitady hamono azy ny olona (21, 31), nofatorana amin’ny kofehy izy (22, 25), fa nisy kapiteny iray izay iraky ny Tompo no niaro an’i Paoly izay nanambara fa tsy mendrika an’i Paoly izao atao aminy izao. Manana mpiaro ny mpino. Ho antsika koa, Jesoa Kristy dia mipetraka eo ankavanan’ny Ray mifona sy mivavaka ho antsika. Eo koa ny Fanahy Masina manolo-tsaina antsika.

2-     Manana sata manokana
Manana ny maha izy azy manokana i Paoly, manana ny zom-pirenena Romana izy: tsy azo atao ny mikapoka Romana izay mbola tsy nohelohina. Lasa natahotra ireo nampamatotra sy nikapoka azy. Toy izany koa isika, manana sata manokana ny zanak’Andriamanitra. Noho ny ran’i Jesoa Kristy, ny fanavotany antsika dia tonga olom-baovao isika, efa lasa ny zavatra taloha. Tsy azon’ny devoly fitahina sy alaim-baràka intsony.

Fanontaniana:

Inona avy ireo fandresena mampiavaka ny mpino amin’ izao tontolo izao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12