jeudi 31 août 2017

Alakamisy 31 Aogositra 2017 - Sal 91 : 9 - 16

9Ny TOMPO mihitsy no fialofana ho anao
sady ny Avo Indrindra no nataonao fonenana;
10ka tsy hisy loza hianjady aminao
na antambo hanakaiky ny tranonao.
11Fa ny Tompo handidy ny anjeliny* hiahy anao
mba hiaro anao na aiza na aiza alehanao;
12hoentin'ireo eny an-tanany ianao
mba tsy ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao91.12 And 11-12: jereo Mt 4.6; Lk 4.10-11..
13Hodiavinao ny liona sy ny menarana
hohitsahinao ny tigra sy ny dragona91.13 Jereo Lk 10.19..

14Hoy ny Tompo hoe: «Nifikitra tamiko izy, ka hovonjeko;
harovako izy satria miaiky ahy ho Tompo.
15Raha miantso vonjy amiko izy, dia hovaliako;
raha azom-pahoriana izy, dia ho eo anilany Aho;
hafahako izy sy homeko voninahitra.
16Hataoko ela velona tokoa izy
ary hanehoako ny famonjeko.»

Ny vavolombelon’ny Tompo dia:

1-    Manana mpiaro
Na eo aza ireo fahavalo sy ioza manodidina antsika dia indro isika fa mbola mijoro, mandresy ireo fandrimpandrika maro samihafa. Mazava izao fa ny Tompo mihitsy no “mandidy ny anjeliny mba hiaro anao eny amin’izay rehatra halehanao”. Manamafy izay Jesoa araka ny teniny hoe: “Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao”. (Mat 28, 20).
2-     Afaka mandresy ny sarotra
Isan’ireo biby masiaka sy atahoran’ny olona ny liona sy ny vipera ary ny menarana. Omen’ny Tompo fahefana hanitsaka sy hanorotoro ireny isika. Ny fandresena ireny dia tafiditra ao amin’ny mason-tsivana ho famantarana ny mino, izay fandresena ny asan’ny devoly sy ny miaramilany izany.
Mazava ny teny fikasana voalaza eto: “Hovokisako fahela-velona izy” (And 16). Miahy ny ankehitriny sy ny ampitsontsika ny Tompo. Fiainana maharitra lavitry ny tebiteby sy ny fanahiana no homaniny ho antsika.
Fanontaniana:
Hatraiza ny fahatsapanao ny fiaraovan’Andriamanitra anao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12