vendredi 18 août 2017

Zoma 18 Aogositra 2017 - Asa 14 : 19 - 28

19Nisy Jiosy tonga avy tany Antiôkia any Pisidia sy avy tany Ikôniôma. Nahazo ny fom-bahoaka ry zareo ka nitora-bato hahafaty an'i Paoly, ary nitaritarika azy teo ivelan'ny tanàna satria nampoiziny ho efa maty. 20Kanjo nony voahodidin'ny mpianatra* teo i Paoly, dia nitsangana ka nody tao an-tanàna. Ary lasa nankany Derba izy mbamin'i Barnabà ny ampitson'iny.

21Nitory ny Vaovao Mahafaly* tao an-tanànan'i Derba ry i Paoly sy i Barnabà ka betsaka ny mpianatra* azony tao. Dia niverina indray izy roa lahy nankany Listra sy Ikôniôma ary Antiôkia any Pisidia. 22Nampahery fo ny mpianatra i Paoly sy i Barnabà ary nampirisika azy ireo haharitra amin'ny finoana ka nanao taminy hoe:
–Fahoriana be no tsy maintsy diavintsika mba hidirana ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra*!
23Isam-Piangonana dia nanendry loholona* ho an'ny mpianatra* izy roa lahy14.23 nanendry loholona ho an'ny mpianatra izy roa lahy: dkt hafa nasain'izy roa lahy nanendrena loholona ho an'ny mpianatra. , ary nony efa nivavaka sy nifady hanina* dia nanankina ny iray Fiangonana tamin'ny Tompo Izay efa ninoan'izy rehetra rahateo.

24Taorian'izany, dia namakivaky ny faritany Pisidia ry i Paoly sy i Barnabà ka tonga tany Pamfilia14.24 Pisidia: jereo 13.14. –Pamfilia: faritanin'i Perga (13.13 sy nta) sy i Atalia (and 25).. 25Nitory ny tenin'Andriamanitra tao Perga izy roa lahy, ary lasa nankany Atalia. 26Avy eo no niondranany an-tsambo ho any Antiôkia, dia ilay tanàna nanankinana azy roa lahy tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra ho an'izao asa notontosainy izao.

27Nony tonga tao Antiôkia izy roa lahy, dia namory ny Fiangonana, ka nitantara ny zavatra rehetra nampanaovin'Andriamanitra azy ary koa nitantara ny namohan'Andriamanitra varavarana ho an'ny hafa firenena* mba hahazoany mino. 28Ary elaela ihany no niarahan'i Paoly sy i Barnabà nitoetra tamin'ny mpianatra tao Antiôkia.

Anisan’ny iraka omen’ny Tompo antsika vavolombelony ny fampaherezana ny hafa. Tao amin’i Paoly io fisainana io satria rehefa afa-doza izy (tora- bato) dia tsy navelany ireo mpianatra tany Antioka sy Ikonioma fa niverenany nampaherezina, nohamafisiny ny finoan’izy ireo mba hahazoan’izy ireo ny fanjakan’ Andriamanitra. Niova ho fijoroana vavolombeiona ny fijaliana izay nandalovan’i Paoly. Tsy nandositra olana izy fa nanamafy aza fa ny fahoriana dia làlana mitondra antsika amin’ny fahombiazana.

2-     Mampiroborobo ny asa fítoriana
Ireo hetsika rehetra hita ato amin’ity perikopa ity dia manambara fa tena tsy tafandry mandry mihitsy i Paoly sy Bamabasy. Mandeha etsy, mandeha eroa, noho ny fitoriana ny Fiiazan-tsaran’ny Fanjakan'Andriamanitra izay maha-vavolombelona azy ireo (And 22). Tao ny fandaminana mba entina handrindrana izay fitoriana sy fampiroboroboana ny asan’Andriamanitra, fanendrena ireo loholona isam-piangonana, tao ny fiombonam- bavaka sy fifadian-kanina, ary izay tena lehibe dia ny tsy fahalalana vizana satria tsy nitandro hasasarana tamin’ny fivezivezana ireto vavolombelon’ny Tompo ireto
Fanontaniana:

Manaova jeri-todika amin’ny fandaharam-potoananao dia jereo izay ahafahana mampitombo ny fotoana ho an’ny asan’ny Tompo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12