dimanche 7 octobre 2012
Alahady 07 Oktobra 2012 - Gen 3 : 1 - 8
1 Ary ny bibilava no fetsy indrindra, tamin'ny bibidia rehetra nataon'ny TOMPO Andriamanitra. Hoy izy tamin-dravehivavy: -Marina ve fa noraran'Andriamanitra tsy hihinana ny voan'ny hazo rehetra ao an-jaridaina ianareo? 2 Dia namaly ny bibilava ravehivavy hoe: -Azonay hanina ihany ireo voankazo ao an-jaridaina, 3 afa-tsy ny voan'ny hazo eo afovoan'ny zaridaina izay efa nandraran'Andriamanitra anay tsy hohanina na hokasihina akory, fandrao mahafaty anay. 4 Hoy kosa ny bibilava taminy: -Tsy ho faty tsy akory ianareo! 5 Saingy fantatr'Andriamanitra fa amin'ny andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ary ho tonga tahaka an'Andriamanitra ianareo ka hahalala ny tsara sy ny ratsy. 6 Ary hitan-dravehivavy fa maha te hihinana ny voan'ilay hazo sady mahasarika ny maso no mampitsiriritra hahazoana fahiratan-tsaina. Dia nitoazany ny voany ka nohaniny; ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy ka nihinana. 7 Dia nahiratra ny mason'izy mivady ka fantany fa mitanjaka izy. Ary nanjaitra ravin'aviavy izy roa ka nataony sikina ho azy. 8 Ary nony hariva, rehefa nitsoka ny rivotra, dia nandre ny feon'ny TOMPO Andriamanitra nitsangantsangana tao an-jaridaina ralehilahy sy ny vadiny ka niery ny tavany tao anaty hazo.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...