mercredi 31 octobre 2012
Alarobia 31 Oktobra 2012 - Mar 14 : 53 - 61
53 Nentina tao an-tranon'ny mpisorombe i Jesoa. Tonga tao avokoa ireo lohandoha-mpisorona sy loholona ary mpahay lalana. 54 Fa i Petera kosa nanaraka an'i Jesoa teny lavidavitra teny mandra-pahatonga tao an-tokotanin'ny tranon'ny mpisorombe, dia niara-nipetraka tamin'ireo mpiandry raharaha ka namindro teo anilan'ny afo. 55 Nokarohin'ireo lohandoha-mpisorona sy ireo rehetra anisan'ny Fitsarana ambony teo amin'ny Jiosy izay mety hiampangana an'i Jesoa hanamelohana Azy ho faty, saingy tsy nahita ry zareo. 56 Eny, maro ireo niampanga lainga an'i Jesoa, nefa tsy nifanaraka ny fiampangana nataony. 57 Dia nisy nitsangana niampanga lainga an'i Jesoa toy izao: 58 Renay ilay io nanao hoe: Horavako ity tempoly nataon-tanan'olombelona ity, ary ao anatin'ny telo andro, dia hanorina hafa tsy nataon-tanan'olombelona Aho. 59 Fa tsy nifanaraka akory ny filazan'ireo mpiampanga na dia tamin'izany aza. 60 Dia nitsangana nankeo afovoan'ny mpivory ny mpisorombe ary nanontany an'i Jesoa hoe: Tsy mamaly akory ve Ianao? Inona no iampangan'ireo Anao? 61 Fa nangina i Jesoa ary tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisorombe nanao hoe: Ianao ve no Kristy, Zanak'ilay Andriamanitra ankalazaintsika lalandava?
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...