samedi 20 octobre 2012
Sabotsy 20 Oktobra 2012 - Dan 2 : 27 - 30
27 Dia namaly ny mpanjaka i Daniela ka nanao hoe: Tsy misy olon-kendry na mpisikidy na mpanao majika na ombiasy afaka hanambara aminao ny zava-miafina izay anontanianao, ry mpanjaka! 28 Fa misy Andriamanitra any an-danitra ambony any Izay mampiseho ny zava-miafina, ka Izy no nampahafantatra an'i Nebokadnetsara mpanjaka izay hiseho amin'ny hoavy. Koa izao ary ny nofinao sy ny fahitana tao an-tsainao teo am-pandriana. 29 Raha natory ianao, ry mpanjaka, dia lasan'eritreritra ny amin'izay hiseho rahatrizay; koa Ilay mampiseho ny zava-miafina dia nampahafantatra anao izay hiseho rahatrizay. 30 Ary raha naseho tamiko io zava-miafina io, dia tsy hoe manam-pahendrena mihoatra noho ny miaina rehetra aho akory, fa mba hahazoana mampahalala anao ny hevitry ny nofinao, ry mpanjaka, ka hahafantaranao izay eritreritry ny fonao.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...