jeudi 4 octobre 2012
Alakamisy 04 Oktobra 2012 - I Jao 2 : 20 - 23
20 Ianareo kosa dia manana ny Fanahy Masina avy amin'i Kristy ary mahafantatra izany avokoa ianareo. 21 Tsy noho ianareo tsy mahafantatra ny hafatra marim-pototra no nanoratako taminareo, fa noho ianareo mahafantatra izany; ary fantatrareo koa fa tsy misy lainga avy amin'ilay hafatra marim-pototra. 22 Iza no mpandainga, raha tsy izay manda an'i Jesoa tsy ho Kristy? Izy no ilay antikristy, manda ny Ray sy ny Zanaka. 23 Izay rehetra manda ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...