dimanche 21 octobre 2012
Alahady 21 Oktobra 2012 - II Tan 9 : 3 - 8
3. Ary rehefa samy hitan'ny mpanjakavavin'i Saba ny fahendren'i Salomona sy ny trano izay naoriny, 4. ny sakafo fihinana teo amin'ny latabany sy ny toeram-ponenan'ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian'ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran'i Salomona ho ao an-tranon'ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy 5. -6. ka nilaza tamin'ny mpanjaka hoe:-Marina avokoa izay resaka reko tany amin'ny taniko momba ny tenanao sy ny fahendrenao. Nefa tsy nino ny filazan'olona aho, raha tsy tonga aty, ka ny masoko no mahita. Hay na dia ny antsasaky ny fahendrena anananao aza tsy voambara tamiko akory;indro mihoatra noho ny laza efa reko ianao. 7. Sambatra ireo olonao sy ireo tandapanao,satria eo anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao! 8. Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin'ny seza fiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan'Andriamanitrao an'i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...