dimanche 28 octobre 2012
Alahady 28 Oktobra 2012 - Gen 4 : 6 - 12
6 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Kaina: -Nahoana no tezitra sady manjombona tarehy ianao? Raha manao ny tsara ianao, moa tsy hahatraka? 7 Fa raha tsy izany, dia toy ny biby mamitsaka eo am-baravaranao ny ota. Te hanapaka anao izy, kanefa ianao no tokony hifehy azy. 8 Dia hoy i Kaina tamin'i Abela rahalahiny: -Andeha isika ho any an-tsaha. Nony mby tany an-tsaha izy ireo, dia niantoraka teny amin'i Abela rahalahiny i Kaina ka namono nahafaty azy. 9 Ary ny TOMPO nanontany an'i Kaina hoe: -Aiza moa i Abela rahalahinao? Dia hoy i Kaina hoe: -Tsy fantatro! Moa mpitandrina ny rahalahiko va aho? 10 Fa hoy kosa ny TOMPO hoe: -Inona ity nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy ao amin'ny tany. 11 Ankehitriny dia manozona anao ny tany izay misokatra hitelina ny ran'ny rahalahinao. 12 Raha hamboly ny tany ianao, dia tsy hanome vokatra ho anao intsony izy; ka dia ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin'ny tany ianao.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...