mercredi 17 octobre 2012
Alarobia 17 Oktobra 2012 - Oha 19 : 1 - 9
1. Aleo mahantra mizotra ho olom-banona toy izay mpanankarena milaza lainga. 2. Tsy tsara ny finiavana tsy ombam-pahalalana; ary izay mirotoroto fandeha no ho tafintohina. 3. Rehefa simban'ny hadalany ny lalan'ny olona, dia ny TOMPO indray no itezeran'ny fony. 4. Ny mpanankarena dia manan-tsakaiza maro; fa ny mahantra kosa mety hilaozan'ilay hany sakaizany. 5. Tsy ho afa-maina ny vavolombelona mandainga; ary tsy ho dify famaizana ny mpamafy lainga. 6. Maro no mandokadoka ny olona ambony; ary ny besinimaro dia sakaizan'ny mpanome zavatra. 7. Ny ory tsy havan-drahalahy manana; koa mainka va tsy handao azy ny sakaizany? Fa na mbola miteny aminy aza ilay ory, dia efa tsy misy eo intsony ireo. 8. Izay mianatra misaina no tia ny tenany ary izay mitandro fahaiza-manavaka no hahita fahasambarana. 9. Tsy ho afa-maina ny vavolombelona mandainga, ary ho very ny mpamafy lainga.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...