jeudi 25 octobre 2012
Alakamisy 25 Oktobra 2012 - Jao 17 : 14 - 19
14 Efa nomeko ny teninao ireo, ka ankahalain'izao tontolo izao: satria tsy naman'izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman'izao tontolo izao Ahy. 15 Tsy ny hanesoranao azy amin'izao tontolo izao no ivavahako, fa ny hiarovanao azy amin'ilay Ratsy. 16 Tsy naman'izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman'izao tontolo izao Ahy. 17 Atokany ho Anao araka ny hafatra marim-pototra ireo: ny teninao no hafatra marim-pototra. 18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho eo amin'izao tontolo izao no nanirahako azy ho eo amin'izao tontolo izao koa. 19 Ho azy ireo no anokanako tena aminao, mba ho voatokana ho Anao araka ny hafatra marim-pototra koa ireo.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...