lundi 8 octobre 2012
Alatsinainy 08 Oktobra 2012 - Oha 13 : 1 - 6
1. Ny zanaka hendry mihaino ny anatry ny rainy, fa ny zanaka mpaniratsira kosa manda fitsikerana. 2. Ny olona tsara dia mijinja ny vokatry ny teniny, fa ny mpanao ratsy kosa mivelona amin'ny herisetra. 3. Izay mahafehy ny vavany maharo ny ainy; fa izay basivava mandringan-tena. 4. Ny kamo no mitsiriritra tsy mety afa-po; fa ny mazoto kosa mahazo izay iriny. 5. Ny olo-marina dia mankahala ny lainga; fa ny olon-dratsy kosa manevateva sy manala baraka. 6. Ny fahamarinana miaro izay mizotra tsy misy tsiny; fa ny faharatsiana kosa mamery ny mpanota.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...