samedi 13 octobre 2012
Sabotsy 13 Oktobra 2012 - Asa 5 : 1 - 6
1 Nisy kosa lehilahy atao hoe Hanania nivarotra tany rehefa nifanaraka tamin'i Safira vadiny. 2 Niray tsikombakomba tamin'ny vadiny ralehilahy ary nitazona ampahany ho azy roa tamin'ny vola vidin'ny tany; fa ny sisa no nentiny hatolotra teo anatrehan'ireo apostoly. 3 Dia hoy i Petera taminy: Ry Hanania, nahoana no dia nameno ny fonao i Satana ka nampandainga anao tamin'ny Fanahy Masina ary nampitazona ampahany ho anao tamin'ny vola vidin'ny tany? 4 Anao ange ny tany fony mbola tsy namidy, sady rehefa namidy dia eo am-pelatananao ny vola vidiny! Ka ahoana no dia nampisy tao am-ponao izao zavatra vitanao izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra. 5 Nony nandre izany teny izany i Hanania, dia nidaboka ho azy ka niala aina. Ary raiki-tahotra mafy izay rehetra nandre izany. 6 Tonga ny tovolahy, dia nofonosiny ny faty ary nentiny nalevina.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...