16Nony hariva ny andro, dia maro ny azon'ny demony*
no nentin'ny olona teo amin'i Jesoa; teny fotsiny no nataon'i Jesoa
handroahana ireny fanahy ratsy ireny. Ary izay rehetra narary dia
nositraniny avokoa; 17hany ka tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'i Isaià mpaminany* hoe: «Izy no naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika.»
vendredi 28 février 2014
Zoma 28 Febroary 2014 - Mat 8 : 14 - 17
14Dia niantrano tao amin-dry i Petera i Jesoa, ary nahita ny rafozambavin'i Petera nandamaka fa voan'ny tazo. 15Nokasihin'i Jesoa ny tanan-dravehivavy; ary nialan'ny tazo ravehivavy dia nitsangana nandroso sakafo ho an'i Jesoa.
jeudi 27 février 2014
Alakamisy 27 Febroary 2014 - Eze 36 : 22 - 30
22Koa
ambarao amin'ny Israelita fa izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY:
Izay hataoko, ry Israelita, dia tsy noho ny aminareo no hanaovako azy,
fa mba hanajana ny anarako masina izay nozimbazimbainareo tany amin'ny
firenena izay nalehanareo. 23Nefa
na dia nanimbazimba Ahy teo imason'ireny aza ianareo, dia hasehoko azy
kosa fa Andriamanitra lehibe sy masina Aho, ary ianareo no hampiasaiko
hanehoako izany. Amin'izay dia hoeken'ireo fa Izaho no TOMPO; teny
hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. 24«Fa
halaiko avy any amin'ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any
amin'ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo. 25Hofafazako
rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin'ny
fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo. 26Homeko
fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Hoesoriko
aminareo ny fo tsy miraika toy ny vato ka hosoloiko fo mora anarina. 27Ny
Fanahiko mihitsy no hapetrako ao anatinareo, ka hataoko manaraka ny
lalànako ianareo, ary hitandrina sy hanatanteraka ny fitsipiko. 28Dia honenanareo ny tany izay nomeko ny razanareo; ka ho vahoakako ianareo ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo. 29Hovonjeko
ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Tsy handefasako mosary
intsony ianareo fa hampaniriako sady hataoko vokatra be ny varinareo. 30Hataoko
vokatra koa ny hazo fihinam-boa sy ny voly eny an-tsaha, ka tsy ho
voalatsan'ny hafa firenena amin'ny mosary intsony ianareo.
mercredi 26 février 2014
Alarobia 26 Febroary 2014 - Rom 4 : 13 - 22
13Nampanantenain'Andriamanitra fa handova izao tontolo izao i Abrahama sy ny taranany. Tsy noho izy ireo nandala lalàna*, fa noho izy ireo nino ka neken'Andriamanitra ho marina no nahazoany izany fampanantenana izany. 14Raha
ny fanatanterahana ny lalàna no nahatonga azy ireo ho mpandova, dia ho
poaka àty ny finoana ary ho foana ny fampanantenana. 15Fa mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra* ny lalàna; ka raha tsy misy ny lalàna, dia tsy hisy koa ny fandikan-dalàna. 16Noho
izany, dia avy amin'ny finoana no ahazoana ny fampanantenana, hany ka
fanomezana azo antoka ho an'ny taranak'i Abrahama rehetra: tsy ho
an'izay mandala ny lalàna ihany, fa ho an'izay mino tahaka ny nataon'i
Abrahama koa. Fa raintsika rehetra i Abrahama, 17araka ny voalazan'ny Soratra Masina* hoe: «Nahatonga anao ho raim-pirenena maro Aho.»
Eny, raintsika rehetra izy eo anatrehan'ilay Andriamanitra ninoany, dia
ilay Andriamanitra mamelona ny maty sy mampisy ny tsy misy. 18Nanantena
i Abrahama na dia tsy nisy hanantenany aza, ary dia nino fa ho tonga
«raim-pirenena» maro, araka ny voalazan'Andriamanitra taminy hoe: «Ho
tahaka izany ny taranakao.» 19Tsy
nalemy finoana i Abrahama raha nandinika ny tenany izay naman'ny maty,
fa efa tokony ho zato taona izy tamin'izay, ary koa raha nandinika an'i
Sarà vadiny, izay tsy afa-niteraka intsony. 20Tsy
very finoana ny amin'ny fampanantenana izay nataon'Andriamanitra i
Abrahama, fa vao mainka aza nankahery azy ny finoany; ka dia nanome
voninahitra an'Andriamanitra izy, 21sady natoky mihitsy fa izay nampanantenain'Andriamanitra dia hain'Andriamanitra tanterahina. 22Izany no «nankatoavan'Andriamanitra azy ho marina.»
mardi 25 février 2014
Talata 25 Febroary 2014 - Isa 55 : 6 - 13
6Tadiavo ny TOMPO, dieny mbola manaiky ho hita,
antsoy Izy, dieny mbola akaiky anareo.
7Aoka ny olon-dratsy handao ny fanaony,
ary ny mpanao ratsy hahafoy ny heviny.
Aoka hiverina amin'ny TOMPO ireny
fa hamindra fo aminy Izy.
Aoka hiverina amin'Andriamanitsika ireny
fa hihoa-pampana ny famelan-keloka homeny azy.
8Teny hentitry ny TOMPO izao:
«Ny hevitro tsy hevitrareo
ary ny lalanareo tsy mba lalako.
9Tahaka ny haavon'ny lanitra amin'ny tany
no haavon'ny lalako amin'ny lalanareo
sy ny hevitro amin'ny hevitrareo.
10Ny ranonorana sy oram-panala
milatsaka avy any an-danitra
dia tsy miverina any raha tsy efa mahavonto ny tany
sy mahalonaka azy ary mampahavokatra azy
ka mampahazo masomboly hafafy sy hanin-kohanina;
11dia ho tahaka izany koa ny teny aloaky ny vavako:
tsy hiveri-maina foana atỳ amiko izy,
raha tsy efa nahatanteraka izay sitrako
sy nahatratra ny tanjona nanirahako azy.
12Fa amim-pifaliana no hialanareo eto Babilôna
ary amim-piadanana no hampodîna anareo.
Ny tendrombohitra sy ny havoana
dia hihorakora-pifaliana rehefa mandalo ianareo,
ary ny hazo rehetra any an-tsaha hiteha-tanana.
13Ny hazo kipreso no haniry ho solon'ny tsilo,
ary ny rotra no haniry ho solon'ny amiana.
Ho voninahitra ho an'ny TOMPO izany,
ka ho famantarana tsy hokosehina na oviana na oviana
ny amin'izay nataony ho anareo.»
lundi 24 février 2014
Alatsinainy 24 Febroary 2014 - Jao 6 : 60 - 71
60Koa maro tamin'ny mpianatr*'i Jesoa, rehefa avy nandre Azy no nilaza hoe:
–Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany?
61Fantatr'i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona ny mpianany noho izany teny izany, ka hoy Izy taminy:
–Misakana anareo tsy hino Ahy ve izany? 62Ahoana ianareo raha mahita ny Zanak'olona* miakatra any amin'izay nitoerany taloha? 63Ny
Fanahy Masina no mamelona aina; raha ny maha olombelona fotsiny dia tsy
mahasoa akory. Ireo teny izay nolazaiko taminareo no mahatonga anareo
handray ny Fanahy Masina mamelona aina, 64kanefa misy tsy mino aminareo. (Fantatr'i Jesoa hatramin'ny voalohany manko ireo tsy mino sy ilay hanolotra Azy.)
65Ary hoy i Jesoa:
–Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany!
66Nanomboka tamin'io fotoana io dia maro tamin'ny mpianatr'i Jesoa no nihemotra, ka tsy niara-dia taminy intsony. 67Ka hoy i Jesoa tamin'ny 12 lahy:
–Ianareo koa ve mba te hiala?
68Dia novalian'i Simôna Petera hoe:
–Tompo ô, hankany amin'iza àry izahay? Ianao no manana ny teny manome ny aina maharitra mandrakizay; 69sady izahay efa mino sy mahalala fa Ianao no ilay Masina avy amin'Andriamanitra!
70Fa hoy i Jesoa tamin'ny 12 lahy:
–Tsy Izaho ve no nifidy anareo 12 lahy? Kanefa devoly* ny anankiray aminareo!
71Ny nolazainy dia i Jodasy, zanakalahin'i Simôna Iskariôta*; izy io manko, na dia anisan'ny 12 lahy aza, no ilay efa hanolotra an'i Jesoa.
dimanche 23 février 2014
Alahady 23 Febroary 2014 - II Tim 2 : 8 - 13
8Tsarovy i Jesoa Kristy, Izay nipoitra avy amin'ny taranak'i Davida sady efa nitsangana velona avy tany amin'ny maty, araka ny Vaovao Mahafaly* torîko. 9Noho
ny fitoriako izany Vaovao Mahafaly izany no ijaliako, ary igadrako toy
ny mpanao ratsy aza. Kanefa ny tenin'Andriamanitra tsy mba voagadra. 10Izany
no iaretako ny mafy rehetra ho fanasoavana ireo
olomboafidin'Andriamanitra, mba hahazoan'ireo koa famonjena, dia ilay ao
amin'i Kristy Jesoa, mbamin'ny voninahitra maharitra mandrakizay. 11Azo antoka izao teny izao:
«Raha niara-maty tamin'i Kristy isika,
dia hiara-belona aminy koa;
12raha miaritra ny mafy isika,
dia hiara-manjaka aminy koa;
fa raha lavintsika Izy,
dia mba holaviny koa isika;
13raha mivadika aminy isika,
Izy dia mahatoky hatrany
satria tsy afa-mandà ny tenany.»
samedi 22 février 2014
Sabotsy 22 Febroary 2014 - Zak 8 : 1 - 8
1Ary nisy tenin'ny TOMPOn'izao rehetra izao tamiko nanao hoe:
2«Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao:
Miredaredam-pitiavana an'i Tsiôna Aho;
eny, miredaredam-pitiavana fatratra azy Aho.
3Koa Izaho TOMPO mihitsy no milaza
fa efa tafaverina indray eto Tsiôna* Aho
ka monina eo afovoan'i Jerosalema.
Ny hiantsoana an'i Jerosalema dia «Tanàna mahatoky.»
ary ny hiantsoana an'i Tsiôna tendrombohitro
dia «Tendrombohitra masina.»
4Eny, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao,
mbola hisy lehilahy sy vehivavy antitra
hipetrapetraka eny an-kianjan'i Jerosalema;
ka isan'olona ireo, noho ny fahanterany,
dia samy hitondra tehina an-tanana.
5Ary ny kianjan'io tanàna io koa
dia ho feno zazalahy sy zazavavy milalao.
6Dia hoy ihany Izaho TOMPOn'izao rehetra izao:
Raha sarotra atao ho amin'ireo andro ireo izany
ho an'ny vahoaka israelita sisa velona,
dia tsy ho sarotra atao kosa izany amiko.
Izaho TOMPOn'izao rehetra izao
no manao izany teny hentitra izany.
7Eny, Izaho TOMPOn'izao rehetra izao dia mampanantena
fa ny vahoakako voaeliko dia hovonjeko
avy any atsinanana sy avy any andrefana.
8Hitondra azy avy any Aho,
ka hamponina azy ao Jerosalema;
dia ho vahoakako izy,
ary Izaho ho Andriamaniny
amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana.»
vendredi 21 février 2014
Zoma 21 Febroary 2014 - Asa 2 : 36 - 42
36Noho izany, dia aoka ho fantatry ny vahoaka Israely*
rehetra mazava tsara fa iny Jesoa nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana
iny indrindra no efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Mesia.
37Raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tao am-pony ka nanontany an'i Petera sy ny apôstôly namany hoe:
–Ry havana, inona no tokony hataonay?
38Dia hoy i Petera taminy:
–Ialao ny toe-dratsy, ary aoka ianareo samy hatao batisa* amin'ny anaran'i Jesoa Kristy mba ho voavela heloka, dia handray ny Fanahy Masina fanomezan'Andriamanitra. 39Fa
ny fanomezana nampanantenain'Andriamanitra dia ho anareo sy ny
zanakareo, ary ho an'ireo rehetra any lavitra any, na iza na iza
hantsoin'ny Tompo Andriamanitsika hanatona Azy.
40Mbola maro ny teny hafa nijoroan'i Petera ho vavolombelona ka nitaomany sy nananarany ny vahoaka hoe:
–Vonjeo ny tenanareo ka misaraha amin'ireto olona mpaniasia ireto!
41Koa
izay nandray tsara ny tenin'i Petera dia natao batisa; ary olona tokony
ho telo arivo no nanatevin-daharana ny mpino tamin'izany andro izany.
jeudi 20 février 2014
Alakamisy 20 Febroary 2014 - Gen 28 : 10 - 15
10Niala tao Beera-Seba i Jakôba ka nankany Haràna. 11Ary
tratry ny masoandro milentika teo amin'ny toerana iray izy ka nandry
teo. Dia naka vato tamin'izany toerana izany izy nataony ondana, ka
natory teo. 12Nanonofy izy ka indro nisy tohatra natsangana avy amin'ny tany ary nahatakatra ny lanitra ny tendrony; dia indreo nisy anjeli*n'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
13Ary niseho teo anoloan'i Jakôba ny TOMPO Andriamanitra ka nanao hoe:
13Ary niseho teo anoloan'i Jakôba ny TOMPO Andriamanitra ka nanao hoe:
–Izaho
no TOMPO, Andriamanitr'i Abrahama raibenao sy Andriamanitr'i Itsehàka.
Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao. 14Ho
maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy
hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin'ny alalanao sy ny
taranakao no hitahiana* ny firenena rehetra eto an-tany. 15Hiaraka
aminao Aho ary hiaro anao amin'izay rehetra alehanao ka hitondra anao
miverina amin'ity tany ity. Tsy handao anao aho ary hotanterahiko izay
rehetra nampanantenaiko anao.
mercredi 19 février 2014
Alarobia 19 Febroary 2014 - Jak 2 : 1 - 12
1Ry havako, noho ianareo mino ny Tompontsika, izany hoe i Jesoa Kristy* be voninahitra, dia aoka ianareo mba tsy hijery tavan'olona. 2Fa
misy ohatra olona miperatra volamena sady manao akanjo marevaka miditra
ao am-piangonanareo, ary misy mahantra ratsy akanjo miditra ao koa. 3Dia
hajahajainareo erỳ ilay olona miakanjo marevaka sady ataonareo hoe:
«Etsy amin'ny toeram-boninahitra ianao mipetraka, azafady»; fa ilay
mahantra kosa ataonareo hoe: «Mijorojoroa eo ianao, na eto an-tongotro
mipetraka». 4Raha izany no izy, dia manavakavaka ianareo; ary sain-dratsy no entinareo manombantombana.
5Mihainoa, ry havako malala: ireo mahantra eto amin'izao tontolo izao* no efa nofidin'Andriamanitra, mba hanan-karena amin'ny finoana ka handray ny Fanjakana* izay nampanantenainy homena ireo tia Azy. 6Fa
ianareo kosa, manao tsinontsinona ny mahantra! Moa tsy ny mpanankarena
ve no mampahory anareo sy mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana? 7Ireo no manevateva ilay anarana soa nomen'Andriamanitra anareo.
8Tsara ny ataonareo raha tanterahinareo ilay lalàna* momba ny Fanjakàn'Andriamanitra*, araka ny Soratra Masina* manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao». 9Kanefa raha mijery tavan'olona ianareo, dia manota sady mpandika ny lalàna ka melohiny. 10Satria izay diso amin'ny lalàna anankiray monja, na dia mitandrina ny lalàna hafa rehetra aza, dia meloka amin'izy rehetra. 11Eny, ilay Andriamanitra nanao hoe: «Aza maka vadin'olona», no nanao koa hoe: «Aza mamono olona.» Ka raha tàhiny tsy maka vadin'olona ianao, nefa mamono olona, dia mpandika ny lalàna ianao. 12Aoka ianareo hiteny sy hiasa toy ny olona mbola hotsarain'ny lalàna mitondra fahafahana;
mardi 18 février 2014
Talata 18 Febroary 2014 - Isa 48 : 15 - 17
15Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany. 16Manatona
Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin'ny taloha no efa tsy nitenenako
tamin'ny mangingina, hatry ny fony vao nisian'ireo dia teo Aho, ary
ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny. 17Izao
no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin'ny Isiraely:
Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady
mitarika anao amin'ny lalana tokony halehanao.
lundi 17 février 2014
Alatsinainy 17 Febroary 2014 - Lio 6 : 46 - 49
46–Ahoana no iantsoanareo Ahy hoe: «Tompo ô! Tompo ô!» nefa tsy tanterahinareo akory izay lazaiko? 47Izay rehetra manatona Ahy ka mihaino ny teniko sady manatanteraka, dia hasehoko anareo ny mety hampitahana azy: 48tahaka
ny olona manorin-trano ka nihady lalina ary nandatsaka ny fototra
am-batolampy; nony tondraka ny rano, dia notonafan'ny riaka ilay trano
nefa tsy nihontsona noho izy tsara orina. 49Fa
izay mihaino ihany kosa nefa tsy manatanteraka, dia tahaka ny olona
manorin-trano amin'izao tsy misy fototra; raha vao notonafan'ny riaka
ilay trano, dia nirodana avy hatrany ka rava tanteraka.
dimanche 16 février 2014
Alahady 06 Febroary 2014 - II Kor 6 : 1 - 10
1Mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay, ka mananatra anareo mba tsy hamela ho very maina ny fahasoavana voarainareo taminy. 2Fa hoy Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina*:
«Tamin'ny fotoana mety,
dia namaly ny antsonao Aho;
ary tamin'ny androm-pamonjena,
dia tonga namonjy anao Aho.»
Indro ankehitriny no fotoana mety amin'Andriamanitra; indro ankehitriny no androm-pamonjena.
3Mba
tsy hahazoan'ny olona manakiana ny fanompoana sahaninay, dia tsy
avelanay hisy zavatra mahasolafaka ny olona, na amin'inona na
amin'inona. 4Fa
ahariharinay kosa amin'ny zavatra rehetra fa mpanompon'Andriamanitra
izahay, ka dia zakainay amim-pandeferana tokoa ny fahoriana sy ny
fahaterena ary ny tebiteby: 5nokapohina izahay, nahiboka am-ponja, nianjadian-korontana, nampanaovina asa mafy, niari-tory ary nifady hanina. 6Ahariharinay
fa mpanompon'Andriamanitra izahay amin'ny fahadiovan'ny toetranay,
amin'ny fahalalànay, amin'ny faharetanay, amin'ny hamoram-ponay, amin'ny
Fanahy Masina manentana anay, amin'ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy
asehonay, 7amin'ny
fitorianay ny marina ary amin'ny hery omen'Andriamanitra anay. Izay
rariny no fiadiana ampiasainay hanafihana sy hiarovan-tena, 8na
omem-boninahitra izahay na alàm-baràka, na ratsy laza izahay na tsara
laza. Atao ho mpamitaka izahay nefa mpanambara ny marina, 9atao ho tsy fantatra nefa fantatra tsara, atao ho efa maty nefa dia izao velona izao. Faizina izahay, nefa tsy vonoina ho faty; 10na
dia ampalahelovina aza izahay, dia faly mandrakariva; toa mahantra
izahay nefa mampanan-karena olona maro; toa tsy manana na inona na
inona, nefa manana ny zavatra rehetra.
samedi 15 février 2014
Sabotsy 15 Febroary 2014 - Jer 39 : 15 - 18
15Fa fony mbola voatana tao an-kianjan'ny trano fiambenana i Jeremià, dia nisy kosa tenin'ny TOMPO taminy nanao hoe: 16«Mandehàna lazao amin'i Hebeda-Melèka
etiôpianina hoe: ‹Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady
Andriamanitr'i Israely: Indro efa nambarako tamin'ny mponin'ity tanàna
ity ny loza fa tsy ny soa. Noho izany dia hotanterahiko izay nolazaiko
ary ho tsapanao tsy ho ela izany. 17Nefa
amin'ny andro izay hahatongavan'izany loza izany, hoy ny teny hentitra
avy amiko TOMPO, dia hafahako ianao, ka tsy hatolotro eo an-tanan'ireo
olona atahoranao. 18Havotako
tokoa ianao mba tsy ho faty an'ady, ka ho voavonjy ny ainao, satria
natoky Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.› »
vendredi 14 février 2014
Zoma 14 Febroary 2014 - Asa 18 : 24 - 28
24Tonga
tao Efeso ity Jiosy atao hoe Apôlao, teraka tany Aleksandria, lehilahy
mpandaha-teny mahay sady nahalala tsara dia tsara ny Soratra Masina*. 25Efa nianatra ny lalana nosoritan'ny Tompo izy ary nafana fo nanambara sy nampianatra mazava tsara momba an'i Jesoa, saingy ny batisan'i Jôhany no hany fantany. 26Niteny tamim-pahasahiana tao amin'ny sinagôga*
i Apôlao; ary nony nandre azy i Prisila sy i Akoilà, dia naka azy ho
any aminy ka nanazava marina kokoa taminy momba ny lalana
nosoritan'Andriamanitra. 27Avy eo dia nanam-paniriana ho any Akaîa i Apôlao; ka nampirisika azy ny havana iray finoana sady nanoratra taratasy ho an'ny mpianatra*
amin'io faritany io mba handraisany azy tsara. Nony tafapaka tany i
Apôlao, dia nanampy tokoa ireo olona efa niasan'ny
fahasoavan'Andriamanitra ka tonga mpino; 28teny
feno hery tokoa no nandreseny lahatra ny Jiosy ampahibemaso ka
nanaporofoany tamin'ny alalan'ny Soratra Masina fa i Jesoa no ilay Mesia*.
jeudi 13 février 2014
Alakamisy 13 Febroary 2014 - Sal 34 : 11 - 22
11Na dia ireo mpanankarena aza,
mety tsy ampy hanina ka ho noana;
fa izay mitady ny TOMPO
tsy mba ho orin-java-tsoa.
12Avia hihaino ahy ianareo, rey anaka,
fa hampianariko hanaja ny TOMPO.
13Raha misy olona mankamamy fiainana
ka te ho ela velona sy ho sambatra,
14dia tsy maintsy mitandrina tsy hiteny ratsy
ary koa mitandrina tsy hilaza fitaka,
15hiala amin'ny ratsy ka hanao ny tsara
ary haharitra hikatsaka fiadanana.
16Tsinjovin'ny TOMPO ireo olo-marina
ary henoiny hatrany ny antsony.
17Toherin'ny TOMPO kosa ny mpanao ratsy,
ka fongorany tsy eo amin'ny tany
ny fahatsiarovana azy ireny.
18Vao miantso vonjy ny olo-marina,
dia henoin'ny TOMPO sy afahany
tamin'izay fahoriany rehetra.
19Fa akaikin'ny torotoro fo IZY
sady mamonjy ny rera-tsaina.
20Na maro fahoriana aza ny olo-marina,
dia afahan'ny TOMPO amin'izany rehetra izany.
21Arovan'ny Tompo avokoa ny rantsam-batany
ka tsy hisy tapaka na taolana iray aza.
22Ho fatin'ny haratsiany kosa ny olon-dratsy
ary hohelohina ny mpankahala olo-marina.
mercredi 12 février 2014
Talata 12 Febroary 2014 - Mat 10 : 16 - 25
16–Indro
Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo afovoan'ny amboadia. Noho
izany, aoka ho malina tahaka ny bibilava ianareo, ary aoka ho tsotra
tahaka ny voromahailala. 17Mitandrema, fa hatolotry ny olona amin'ny mpitsara isan-tanàna ianareo sady hokapohiny any amin'ny sinagôgany*; 18ary
hoentina eo anoloan'ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny maha mpianatro
anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehan'ny
Jiosy sy ny hafa firenena. 19Fa
raha atolotry ny olona ianareo, aza manahy izay fomba hitenenanareo na
izay teny holazainareo, satria homena anareo eo no ho eo ihany izay teny
holazainareo. 20Tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin'ny Fanahy Masina irahin'ilay Rainareo.
21Hisy
olona hanolotra ny iray tampo aminy hovonoina; hisy raim-pianakaviana
hanolotra ny zanany hovonoina; ary hisy zanaka hanohitra ray aman-dreny
ka hampanameloka azy ho faty. 22Ho halan'ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; fa izay haharitra hatramin'ny farany dia ho voavonjy. 23Raha
enjehina amin'ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin'ny
tanàna hafa; eny, lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra voatetinareo
akory ny tanàna eto Israely, dia ho avy ny Zanak'olona*.
24Mpianatra tsy mihoatra ny mpampianatra azy; mpanompo tsy mihoatra ny tompony. 25Ampy
ho an'ny mpianatra ny tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an'ny
mpanompo ny tonga tahaka ny tompony. Koa raha ny loham-pianakaviana aza
nisy nanao hoe Belzeboba*, mainka fa ny fianakaviany.
mardi 11 février 2014
Talata 11 Febroary 2014 - Sal 119 : 41 - 48
41Ho tonga amiko anie, TOMPO ô, ny mari-pitiavanao,
dia ny famonjenao araka ny toky nomenao!
42Ny mpanala baràka ahy ho voavaliko,
satria ny teninao no itokiako.
43Ny zava-marim-pototra aza avela hivadihako,
satria ny fitsipikao no antenaiko.
44Ny lalànanao tiako hotandremana lalandava
ka ho mandrakizay mandrakizay.
45Hizotra amin-kalalahana aho,
fa ny fepetranao no katsahiko.
46Ny baikonao no holazaiko
tsy amin-kenatra eo anatrehan'ny mpanjaka.
47Ny didinao no iravoako
ary ankamamîko fatratra.
48Hanandra-tanana hivavaka aminao aho,
ka ny lalànanao no hosaintsainiko.
lundi 10 février 2014
Alatsinainy 10 Febroary 2014 - Sal 97 : 10 - 12
10Ianareo fatra-pitia ny TOMPO, mankahalà ny ratsy
fa miaro ny ain'ireo mpivavaka aminy Izy
ka manafaka azy tsy ho voatanan'ny olon-dratsy.
11Misy hazavana mamiratra ho an'ny olo-marina,
ka mitondra haravoana izany ho an'ny mahitsy fo.
12Mifalia ao amin'ny TOMPO,
ianareo olo-marina;
manaova fiderana Azy
ka tsarovy fa masina Izy.
dimanche 9 février 2014
Alahady 09 Febroary 2014 - Jao 5 : 39 - 47
39Mandinika ny Soratra Masina*
ianareo, satria ao no heverinareo hahavelona aina mandrakizay; ireo
Soratra Masina ireo indrindra no mijoro ho vavolombelona manambara Ahy, 40kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo mba hahavelona aina anareo.
41Tsy hoe voninahitra avy amin'olombelona no tadiaviko; 42saingy fantatro ianareo, fa tsy manana ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatinareo. 43Raha
Izaho dia tamin'ny anaran'ny Raiko no nahatongavako, nefa tsy
raisinareo; raha misy hafa ka tamin'ny anaran'ny tenany no
nahatongavany, dia horaisinareo. 44Aminareo
samy ianareo no itadiavanareo voninahitra fa ny voninahitra avy
amin'Andriamanitra Tokana tsy tadiavinareo, ka hataonareo ahoana no
fino? 45Aza heverinareo fa Izaho no hiampanga anareo eo anatrehan'ny Ray; ao ny hiampanga anareo, dia i Mosesy izay nitokianareo! 46Eny, raha mba mino an'i Mosesy ianareo, dia ho nino Ahy koa, satria nanoratra nanambara Ahy izy. 47Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ireo teniko?
samedi 8 février 2014
Sabotsy 08 Febroary 2014 - Jer 46 : 25 - 28
25Izao
no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely:
«Indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely an'i Amôna andriamanitr'i Teba, hamely an'i Ejipta sy ny andriamaniny ary ny mpanjakany, eny, hamely ny Farao sy izay rehetra miantehitra aminy. 26Hatolotro eo an-tanan'ireo mitady hahafaty azy izy, dia i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilôna mbamin'ireo miaramilany.
Rehefa afaka izany, vao hiverina amin'ny laoniny toy ny taloha i Ejipta. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»
27Aza matahotra kosa ianareo,
ry taranak'i Jakôba mpanompoko.
Aza kivy ianao, ry firenena Israely,
fa indro Aho hamonjy anao
avy any amin'ny faritany lavitra any;
indro Aho hamonjy ireo taranakao
avy any amin'ny tany izay nahababo azy.
Hiverina ianareo, ry taranak'i Jakôba,
ka hiadana sy handry feizay
fa tsy hisy hanaitaitra intsony.
28Ry taranak'i Jakôba mpanompoko,
aza matahotra ianareo,
satria Izaho no miaraka aminareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Hofongorako ny firenen-kafa rehetra
izay nanelezako anareo;
ianareo kosa tsy mba hofongorako,
na dia tsy maintsy faiziko
araka ny hitsiny ihany aza
fa tsy havelako ho afa-maina!
vendredi 7 février 2014
Zoma 07 Febroary 2014 - II Tim 3 : 14 - 17
14Ianao kosa, mahareta tsara amin'izay nianaranao sy nekenao tokoa; satria fantatrao ireo olona nampianatra anao izany. 15Hatramin'ny fahazazànao no efa nahalalanao ny Soratra Masina* izay manome fahendrena anao hahazoanao famonjena, noho ny finoanao an'i Kristy Jesoa. 16Ny Soratra Masina rehetra dia nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra sady mahasoa hampianarana ny marina, hendresen-dahatra, hanitsiana ny diso, hanabeazana ho tia rariny, 17mba hahatonga ny olon'Andriamanitra ho tsara ofana sy ary fitaovana hanao asa soa isan-karazany.
jeudi 6 février 2014
Alakamisy 06 Febroary 2014 - Sal 12 : 1 - 8
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira*.
Hampiarahina amin'ny valiha torifolo. Salamo nataon'i Davida.
Hampiarahina amin'ny valiha torifolo. Salamo nataon'i Davida.
2Mba vonjeo re, TOMPO ô,
fa miharingana ny mpivavaka marina;
ary dia tsy misy intsony
ny olona azo itokiana.
3Lainga hatrany no ifampilazana:
ny teny mandoka fa ny fo tsy azo antoka.
4Hofoanan'ny TOMPO avokoa anie
ny mpandoka sy ireo avo vava,
5dia ireo izay manambara hoe:
«Ny filàzanay no handresenay lahatra;
hainay ny miteny, ka tsisy atahoranay!»
6Hoy kosa ny TOMPO hoe:
«Hirotsaka an-tsehatra Aho izao
noho ireo mahantra ampahorîna
sy ireo malahelo mitaraina;
hovonjeko ireo voavingavinga.»
7 Madio* ny tenin'ny TOMPO:
toa volafotsy voarendrika
tamin'ny memy anaty tany
ka voadio impito miantoana.
8TOMPO ô, mitana ny teninao Ianao
ka hiambina anay mandrakariva
tsy ho azon'ny karazan'olona toy izany,
mercredi 5 février 2014
Alarobia 05 Febroary 2014 - Mat 8 : 5 - 15
5Rehefa niditra tao Kafarnahòma i Jesoa, dia nisy kapitenin-tafika nanatona Azy sady nitaraina taminy 6hoe:
–Tompo ô, milamaka ao an-tranoko ao re ny mpanompoko, fa malemy sady mijaly mafy dia mafy.
7Ary hoy i Jesoa taminy:
–Ho avy Aho hanasitrana azy!
8Dia novalian'ny kapiteny hoe:
–Tompo ô, tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana ny mpanompoko. 9Izaho
manko, na ambany fahefan'olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka
raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe
«Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao»,
dia manao izy.
10Gaga i Jesoa raha nandre izany, ka loa-bolana tamin'ireo nanaraka Azy nanao hoe:
–Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nisy olona nahitako finoana toy izany tamin'i Israely*. 11Ambarako
aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no
hipetraka hiara-misakafo amin-dry i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba
any amin'ny Fanjakàn'ny lanitra*. 12Ireo
natao handova ny Fanjakàn'ny lanitra kosa dia horoahina any amin'ny
maizina any ivelany; ka any ireo no hitomany sy hikitro-nify.
13Dia hoy i Jesoa tamin'ilay kapiteny:
–Mandehana, ary aoka ho tonga aminao araka izay ninoanao.
Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay mpanompony.
14Dia niantrano tao amin-dry i Petera i Jesoa, ary nahita ny rafozambavin'i Petera nandamaka fa voan'ny tazo. 15Nokasihin'i Jesoa ny tanan-dravehivavy; ary nialan'ny tazo ravehivavy dia nitsangana nandroso sakafo ho an'i Jesoa.
mardi 4 février 2014
Talata 04 Febroary 2014 - II sam 7 : 25 - 29
25Ankehitriny,
ry TOMPO Andriamanitra ô, ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny
taranako dia tano mandrakizay ary ataovy araka izay efa
nampanantenainao. 26Halaza
mandrakizay anie ny anaranao ka hatao hoe: «Ny TOMPOn'izao rehetra izao
no Andriamanitr'i Israely». Ary ho mafy orina eo anatrehanao ny
taranako. 27Satria
Ianao, ry TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely, efa
nanambara tamiko fa hanome taranaka ho ahy; koa izany no nahasahiako
hivavaka aminao izao. 28Ry
Tompo ANDRIANANAHARY ô, ianao mihitsy no Andriamanitra; azo antoka ny
teninao, ary izaho mpanomponao no efa nampanantenainao izany zava-tsoa
izany. 29Koa ho sitrakao anie ankehitriny ny hitahy*
ireo taranako mba hitohy mandrakizay eo anatrehanao. Satria Ianao, ry
Tompo ANDRIANANAHARY ô, no efa nampanantena, ka ny fitahianao no
hitahianao mandrakizay ny taranako, fa mpanomponao aho.
lundi 3 février 2014
Alatsinainy 03 Febroary 2014 - Jao 15 : 1 - 8
1–Izaho no tena voaloboka; ary ny Raiko no mpamboly. 2Ny
sampana rehetra izay tafaray amiko nefa tsy mamokatra dia esorin'ny
Raiko; ary ny sampana rehetra izay mamokatra kosa, dioviny mba hamokatra
bebe kokoa. 3Madio izao ianareo noho ny teny izay nolazaiko taminareo. 4Aoka
hiray amiko hatrany ianareo toy ny iraisako aminareo. Ny sampana tsy
afa-mamokatra ho azy raha tsy miray amin'ny voaloboka hatrany; dia toy
izany koa ianareo: tsy afa-mamokatra, raha tsy miray amiko hatrany. 5Izaho
no voaloboka; ianareo no sampana. Izay miray amiko hatrany, toy ny
iraisako aminy, no mamokatra be; satria raha misaraka amiko ianareo, dia
tsy afa-manao na inona na inona. 6Raha
misy olona tsy miray amiko hatrany, dia ariana any ivelany tahaka ny
sampana izy, ka mihamaina; ary angonina ireo sampana maina ka atsipy ao
anaty afo, dia may. 7Raha
miray amiko hatrany ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia
angataho izay zavatra tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo
izany. 8Ny ahazoan'ny Raiko voninahitra, dia ianareo mamokatra be sady tonga mpianatro*.
dimanche 2 février 2014
Alahady 02 Febroary 2014 - Jer 33 : 1 - 9
1Fa raha mbola voatana teo an-kianjan'ny trano fiambenana i Jeremià, dia nisy indray tenin'ny TOMPO fanindroany taminy nanao hoe:
2«Izao no lazain'ny TOMPO, Ilay manao ny zava-mitranga ka mamolavola azy mba hitantanany azy, dia Ilay antsoina hoe TOMPO: 3Antsoy Aho, dia hamaly anao sady hampianatra anao zava-dehibe izay tsy takatry ny saina sady tsy mbola fantatrao. 4-5Izaho
TOMPO Andriamanitr'i Israely dia milaza ny amin'ireo trano eto
an-tanàna sy ny lapan'ny mpanjakan'i Joda fa rava avokoa ireo. Ny
amin'ny tovon-tany fanafihana sy ny ady kosa dia izao: Tsy ilaina ny
hanoherana ny Babilônianina fa hahafeno faty eto an-tanàna izany noho ny
olona naripaky ny fahatezerako amam-pahavinirako. Fa ny haratsiana
rehetra nataon'ny mponin'i Jerosalema no nahatonga Ahy tsy niraharaha ny
tanànany.
6«Kanefa
indro Aho hitsabo an'i Jerosalema ka hahasitrana azy tanteraka; ary
hasehoko mitafotafo amin'ny mponina indray ny fiadanana sy ny
filaminana. 7Haveriko amin'ny laoniny indray i Joda sy i Israely ka hareniko ho tahaka ny fahiny. 8Hodioviko ho afaka amin'ny heloka rehetra izay nataony tamiko izy; eny, havelako ny heloka rehetra izay nikomiany tamiko. 9Ary
hahafaly Ahy ny hanonona ny anaran'i Jerosalema, ka ho voninahitro sy
haingoko eo imason'ny firenen-kafa rehetra ambonin'ny tany izy. Ary
rehefa handre ny soa rehetra izay hataoko amin'i Jerosalema, ireo
firenena ireo, dia hangovitry ny tahotra manoloana ny soa rehetra sy ny
fiadanam-be izay hataoko aminy.»
samedi 1 février 2014
Sabotsy 01 febroary 2014 - Isa 10 : 24 - 27
24Izany no antony ilazan'ny Tompo ANDRIAMANITR'izao rehetra izao hoe: «Aza matahotra an'i Asirianina, ry vahoakako monina ao Tsiôna*! Kibay sy langilangy no ikapohany anao toy izay nataon'ny Ejiptianina taminao fahiny; 25fa rehefa afaka kelikely, fotoana fohy monja, dia hitsahatra ny fahavinirako aminao ary hisampotina aminy ny fahatezerako.» 26Harangarangan'ny
TOMPOn'izao rehetra izao manko ny karavasy hikapohany an'i Asiria
tahaka izay nataony tamin'ny famelezana ny Midianita teo amin'ny
harambaton'i Hôreba; ary hatsotrany eny ambony ranomasina ny tehiny, toy
izay nataony tany Ejipta.
27Amin'izany andro izany,
hoesoriny eo an-tsorokao ny enta-mavesatra,
ary halàny eo am-bozonanao ny zioga*.
Inscription à :
Articles (Atom)
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...